Mois : mai 2024

VAOVAO TAMBATRA

Voatendry ho tale jeneralin’ny orinasa Jirama ilay injerniera israelinina Ron Weiss. Hametraka paikady ho fanarenana ny orinasa ny tenany izay hiompana tanteraka amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina toy ny tetikasa Volobe sy Sa­hofika ary ny fametrahana ny toby mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny masoandro. Hanohana ara-bola ny fandaharanasa (PAGFCE) ho […]

vehivavy mpandraharaha : mila tohana ara-tsaina

Sehatra iray anisan’ny mahasarika ny vehivavy malagasy ny tontolon’ny fandraharahana. Ankoatra ny olana eo amin’ny famatsiam-bola entina hanodinana ny orinasany, sedra iray iainanan’ny vehivavy mandraharaha ny fanambaniana ny fahaizany. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy fahampiana tohana ara-tsaina avy amin’ ireo akaiky azy, ny ankohonany, indrindra ny vadiny. «Tsy mbola tafiditra […]

Trafika iraisam-pirenena : Sokatra 1 000 sy varika 48 tratra tany Thaïlande

Mitohy ny trafikana harena voajanahary avy aty Madagasikara mankany ivelany. Tsy nionona amin’ny sokatra intsony fa niampy varika ihany koa no tratra tany Thaïlande. Namoaka fampahalalam-baovao iombonana ny fikambanana WWF, ny Traffic, ny Alliance Voahary Gasy (AV) ary ny Transpa­rency International, omaly 3 mey. Nahazo loharanom-baovao ny polisy any Thaïlande, […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fanapahan-kevitra nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra, ny alakamisy lasa teo, alefa amin’ny fahitalavitra nasionaly, Televizionina Malagasy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, « Euro 2024 », taranja baolina kitra. Tsiahivina fa hanomboka ny 14 jona ary hatramin’ny 14 jolay ho avy izao izany. Hifarana rahampitso, any Antsirabe, ny fifaninanana taranja […]

Kitra – 1/8 Telma Coupe 2024 : hifanandrina ny AS Fanalamanga sy ny Ajesaia

Hotanterahina anio sy rahampitso ary ny 12 mey ho avy izao ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny am­boaran’i Madagasikara, “Tel­ma coupe 2024”, taranja baolina kitra. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro, ny fifanandrinan’ny AS Fanala­manga sy ny Ajesaia Bongo­lava. Lalao izay hotontosaina anio, eto Antananarivo. Mbola manala vela ny ekipan’i Bongolava amin’ity […]