Tapitra anio ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, “bassin 50 m” izay nanomboka ny 1 mey lasa teo, teny amin’ny dobo filomanosana ANS Ampefiloha. Araka ny vaovao nampitain’ny tale teknika nasionalin’ny Federasiona malagasin’ny lomano (FMNa), ity fifaninanana nasionaly ity no mamaranana ny taom-pilalaovana 2024. Raha ny fanazavana voaray, […]
Mois : mai 2024
Rugby vehivavy – «Can 2024» : vonona hanala vela amin’i Kenya i Madagasikara
Hifantoka amin’ny lalao rugby, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrique (CAN 2024), sokajy vehivavy, avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena anio. Hotanterahina eto Madagasikara ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Mondial 2025”. Hanomboka anio sabotsy, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy vehivavy, taranja rugby lalaovina olona 15 (Can […]
CHU Mahavoky Atsimo: arifomba ny fitaovana fitiliana tsinay sy vavony…
Nisitraka fitaovana ara-pahasalamana avo lenta ahafahana manao fitiliana ny lalan-kanina sy ny vavony ary ny tsinay ny CHU Mahavoky Atsimo ao Mahajanga. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Australian Doctors for Africa (ADFA) avy any Australie no nahazoana izany. Nanazava ny talen’ny CHU Mahavoky Atsimo fa amin’ny alalan’ny « […]
107 ny toeram-panofanana mpampivelona : fandaharam-pianarana tokana no homena ny mpianatra
107 ny isan’ny ivontoeram-panofanana mpampivelona eto Madagasikara ary ny enina amin’ireo miorina eny amin’ny renivohi-paritany ary tantanin’ ny fanjakana. Ny ambiny sahanin’ny sehatra tsy miankina avokoa. Misy tetikasa hametraka fandaharam-pianarana iraisan’ny ivontoeram-panofanana rehetra eto amintsika mba ho fahalalana mitovy no azon’ny mpiofana rehetra. Vina koa ny hanatanteraka fanadinana tokana ho […]
Skoto: Iantsoana mpilatsaka an-tsitrapo any Egypta
Ho an’izay vonona sy mahafeno fepetra, manentana ireo mpilatsaka an-tsitrapo hanampy amin’ny fikarakarana ny “World Scout Conference”, any Egypte, ny skoto. Hahazoana tombony sy traikefa amin’ny fikarakarana hetsika avo lenta iraisam-pirenena ilaina amin’ny “Conférence Africaine 2025” izany. Tsy mandoa saran-dasy izay ho any an-toerana, ary hiantohana ny hipetrahana sy ny […]




