Mois : mai 2024

Halatra omby : dahalo roa lahy lavon’ny bala

Dahalo mpangalatra omby maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao Ambatoasana, fokontany Ankidona avaratra, koaminina Soavimbazaha, distrikan’i Miarinarivo, ny 28 avrily teo. Nitrangana halatra omby tao amin’io fokontany io, ny 18 avrily lasa teo tamin’ny 1 ora maraina. Niroso tamin’ny fikarohana ny zandary ka voasambotra ny olona efatra ahiahina tamin’ny fangalarana. […]

Minisitra Andriantsitohaina Naina : zava-dehibe ny fiarovana amin’ny tondradrano

Nahazo fitaovana hanamafisana ny fitantanana ireo lakandrano eto Antananarivo sy ny manodidina ny eo anivon’ny Sampandraharaha miaro ny lemak’Antananarivo (Apipa). Nanambara ny maha zava-dehibe izany, ny minisitra Andriantsitohaina Naina. Hihena tsy ho toy ny taloha ny ho fiantraikan’ny fiakaran’ny rano. Nam­baran’ny minisitry ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), […]

INDRAY MIJERY

Ho an’ny ady amin’ny aretina VIH/Sida, hamafi­sina hatrany ny fanentanana ka nisy hetsika fanaovana fitiliana maimaimpoana notanterahina tetsy amin’ny Espla­nade Ankatso, omaly. « Toerana be olona, indrindra ny tanora sy ny mpianatra eny, ka nampanatonina teny ny fitiliana », hoy ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Faha­salamana. Ho an’ny faritra Atsinanana, hisy fiarahana […]

Karama farany ambany : hanara-maso eny ifotony ny fanjakana

Hanao hetsika « opération coup de poing » ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana manomboka anio. Hiompana amin’ny fampiharana ny karama farany ambany nofaritan’ny fanja­kana izany. « Didim-panjakana efa nivoaka io ary mihatra amin’ny orinasa rehetra eto Madagasikara », hoy ny minisitra tomponandraikitra, Raza­kaboana Hanitra. Zava-dehibe ny fampiha­rana […]