Mois : mai 2024

Faritra andro ratsy : hivadika ho rivodoza Hidaya, matanjaka ny fepetra ivoarany

Mandindona ao avaratry ny Nosy ny rivodoza. Mitondra orambe any amin’ny morontsirak’Ambatosoa sy Atsinanana ary Analanjirofo izy io. Miha mahazo hery any an-dranomasina i Hidaya. “Heverina ho nivadika ho rivodoza alina ilay faritra andro ratsy ao Avaratry ny Nosy noho ny fe­petra tomombana hivoarany”, hoy ny mpamantatra ny toetry ny […]

Fikambanan’ny zanaka Antesaka : “Takinay ny hamoahana ny kandidà Mahavitara”

Hentitra ny fitakian’ny fikambanan’ny zanaka Ante­saka monina eto Antana­narivo, araka ny fanambarana nataon’izy ireo afakomaly, tetsy Andrefan’Ambohi­jana­hary. Manome 48ora, hatramin’ ny omaly, ho an’ny fanjakana izy ireo hamoahana ny kandidà avy any Vangain­drano, i Mahavitara Sylvestre, voafonja vonjimaika eny Antanimora. “Haka ny fepetra rehetra izahay rehefa tapitra io fe-potoana io”, […]

Filohan’ny HCDDED: “Zava-dehibe ny efa firosoana amin’ny demokrasia”

Nambaran’ny filohan’ny Filankevitra ambony ho an’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCD­DED), Ranadialison Angelo, fa tsy mbola tonga lafatra isika amin’ny demokrasia. “Tsy azo atao ny mitompo teny fantatra fa efa tonga amin’ny tanjona isika. Efa zava-dehibe anefa ny firosoana tsikelikely sy miandalana amin’izany dingana ho any amin’ny […]

Tatitry ny Pac ho an’ny taona 2023: maro ireo olon-tsotra nitory depiote sy minisitra

Nanao tatitra ny zava-bitany nandritra ny taona 2023 ny eo anivon’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), 67 ha. Nampahatsiahy indray ny asany izy ireo ary nitanisa ireo fitoriana voaray. Miisa 316 ireo dosie nokirakirain’ny Pac ka nahavoarohirohy olona 1 346 izany. Miisa 1 110 ireo nahazo fahafahana vonjimaika […]

Ramampy Zénaïde : “Hay ny mifidy na sahirana aza”

“Na eo aza ny fahasahiranantsika vahoaka, haintsika ny mifidy depiote izay tena hikarakara antsika marina”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha lefitry ny Anteni­mi­erampirenena teo aloha, 2002-2009, Ramampy Zénaï­de, momba ny fifidianana depiote izay efa misy fizarana fanomezana amin’izao. Izay heno amin’ny haino aman-jery: toy ny vazaha mody miady fotsiny izy […]