Mois : mai 2024
Inter-Media 2024 : fantatra ireo ekipa iray vondrona
Tontosa tetsy amin’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) etsy Ambohidahy, ny antsapaka ahalalana izay iray vondrona amin’ny fifaninanana iraisan’ny mpampahalala vaovao na ny Inter-Media 2024. Fifaninanana tanterahina etsy amin’ny kianja Annexe Mahamasina, ny sabotsy 4 mai ho avy izao. Anisan’ireo manana ekipa be indrindra ny vondrona Ultima-Media, misy ny […]
Rugby – «Can vehivavy 2024» : nahazo fankatoavana ny kianja Makis Andohatapenaka
Afaka mandray lalao iraisam-pirenena ny kianjan’i Maki. Nankatoavin’ny Rugby Afrique fa mahafeno ny fenitra sy ny fepetra takina ny toeram-pilalaovana eny Andohatapenaka. Tsy misy ahiahy intsony fa hotanterahina eto Madagasikara, manomboka ny sabotsy 4 mai ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby vehivavy, lalaovina olona 15 […]
Fandrobana taxi-moto: jiolahy iray maty, roa azo sambo-belona
Maty voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny zandarimaria ny jiolahy iray tompon’antoka tamin’ny halatra moto tao Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo, ny alatsinainy 27 avrily teo. Lehilahy miisa efatra nanofa taxi-moto niainga tao Arivonimamo hihazo an’i Miandrandra. Namoaka basy anefa ireo olon-dratsy tao Ankilomaka. Voatifitra ny iray tamin’ireo mpitondra moto. Nahay nandositra ny […]
grevy teny vontovorona: Raikitra ny tora-bato sy grenady
Nirefodrefotra indray ny grenady lakrimozena teny Vontovorona nandritra ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpianatra, afakomaly. Tsy nifankahitana ihany koa ny tora-bato sy tapa-biriky. Teo koa ny fandorana kodiarana. Niparitaka manerana ny lalana ny tapa-biriky sy vato ary siniben-drano iray. Mpianatra iray naratra nandritra ny fifandonana teo amin’ny mpianatry ny politeknika sy ny […]




