Fotoana iray hampivondrona ireo mpandraharaha maneran-tany sy hitadiavana lalam-barotra any ivelany ny Tsenabe iraisam-pirenena momba ny varotra andiany fahadimy ao Kanada. Hotanterahina ny 6 ka hatramin’ny 20 mey izao ny hetsika «Mission économique et commerciale au Canada» (MECC) andiany fahadimy izay karakarain’ny Chambre de commerce et de Coopération Canada-Madagascar (CanCham). […]
Mois : mai 2024
TSELATRA
Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray nanendaka vehivavy miisa roa teny Ambohibao, omaly. Voarakitra tao anatin’ny horonantsary azon’ny « caméra de surveillance » ny endrika sy ny akanjon’io olon-dratsy io ka noraisim-potsiny. Naverina amin’ny tompony ny entana halatra. Jiolahy mpanendaka sady mpanolana tovovavy izay lasibatry ny asa ratsiny amin’ny alina lavon’ny zandary […]
Kidnapping ao Ankazobe: voasambotra Rabevolamena na Lemizana
Nifampitadiavan’ny mpitandro filaminana hatry ny ela, voasambotra tao Mahajanga, afakomaly, i Lemizana na Rabevolamena. Dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao amin’ny kaominina Mahavelona, distrikan’Ankazobe. Atidoha nikotrika tamin’ ny famoizan’aina olona miisa 38 sy fandorana tanàna tao Anosikely izy, ny taona 2022. Namono nahafaty zandary iray am-perinasa tany Ambatomanga, fokontany Maromandia, […]
Nifanehatra tamin’ny zandary : mpangalatra solika maty voatifitra
Maty voatifitry ny zandary hisambotra azy ny jiolahy mpangalatra solika tao Analavory tapon-tanàna, ny 30 avrily misasakalina. Tsikaritry ny manodidina ny fisian’io lehilahy io. Niantso ny mpitandro filaminana ny fokonolona. Niezaka nandositra ilay mpangalatra ka nifanenjehan’ireto farany. Niafina tao anatina dabam-pako izy. Nahatazana ny zandary, nikasa handositra fanindroany indray io […]
Nandrika ny ra teny Fenoarivo: olona roa naratra notifirin’ny jiolahy
Olona roa naratra mafy voatifitry ny jiolahy teo amin’ny sorony sy ny sandriny nandritra ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana teny Fenoarivo, afakomaly. Finday ihany anefa no lasan’ireo mpanafika. Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika tao amina tokantrano iray, fokontany Ambohijatovo, kaominina ambanivohitr’i Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano, afakomaly. Naratra mafy vokatry ny tifitra nataon’ireo jiolahy ny […]




