Milanja 3,5 kilao ny volamena naondran’i Madagasikara ara-dalàna ka mitentina 978,215 miliara Ar ny vola azo. Mbola ambany lanja io raha oharina tamin’ny vina napetraky ny filoha nandritra ny 100 andro izay 500 kilao. Mitaky ezaka goavana ny hanatrarana ny tanjona hanondranana volamena 6 taonina ho an’ity taona 2024 ity. […]
Mois : mai 2024
Fiainan’ny orinasa: mivoatra ny fitantanana olombelona (RH)
Miantoka ny fandrindrana ny fiainana maha olona, indrindra eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana ny serasera. Antony nahatonga ny Dr Fabrice Lollia, manam-pahaizana eo amin’ny serasera, nizara ireo torohay sy fomba hanatsarana ny fifandraisana sy fifanakalozana anatina orinasa sy eo amin’ireo mpitantana ary mpandraharaha. «Paikady siantifika voamarina sy mahomby […]
Ambohimasina : fotodrafitrasa maro ho an’ny mponina
Misitraka fotodrafitrasa maro ny mponina any amin’ny kaominina Ambohimasina, distrika Arivonimamo, faritra Itasy. Nanohana ny tetikasa ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud) sy ny mpiara-miombon’antoka maro. Anisan’izany ny tohodrano vita « béton », afaka manondraka lemaka 80 ha, ahafahana mamboly vary sy legioma. Tohodrano vita tamin’ny tany ny teo taloha, […]
Airtel Africa : nitombo hatrany ny fampiasam-bola
Miabo ny vokatra tao anatin’ny enim-bolana, vitan’ny orinasa Airtel Africa, izay nifarana ny 31 marsa 2024 teo, na teo aza ny tontolo ara-toekarena ankapobeny tsy marin-toerana. Manamarina izany ny fitomboana 9% ny isan’ny mpanjifa, mahatratra 152,7 tapitrisa. Nahatonga izany ny fampihenana ny saran’ny famandrihana, ka lasa niakatra 17,8% ny mpamandrika […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny faran’ny herinandro aho avy izao ny lalao ampahefa-dalana miverina amin’ny fifaninanam-pirenena, «Coca Cola Pureplay Football League», taranja baolina kitra. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny Fosa Juniors Boeny sy ny Elgeco Plus de Madagascar. Mbola manala vela ny Fosa. Hotontosaina rahampitso ny fifaninanana nasionaly, taranja hazakazaka lavitra […]




