Mois : septembre 2024

Depiote Imbiki Herilaza: “Tsy tokony hisy intsony ny fanaovana ankilabao ny fifidianana”

“Tsy tokony hisy intsony ny fanakanana na tsy fandrai­sana anjara na fanaovana ankilabao amin’ny fifidianana. Na amin’ny antoko miaraka amin’ny fitondrana izany, na ny antoko mpanohitra, na ny mahaleo tena”. Io ny fanehoam-pijerin’ny depiote voafidy tany Sainte Marie tamin’ny anaran’ny Irmar, Imbiki Heri­laza, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly sy […]

Miandry ny farany

  Amin’izao, tsy mbola firy no nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Miandry ny farany? Toe-tsaina amam-pomban’ny Malagasy rehefa manao zavatra, hono. Dia miandriandry sy mandrimandry eo na amin’ny zava-dehibe miankina amin’aina aza? Politika rahateo ny fiatrehana fifidianana, ka mandeha avokoa ny paipaika sy ny kajikajy […]

Haitao ara-kajy mirindra: hiara-hiasa amin’ny Huawei sy ny Tea Group i Madagasikara

Mitohy hatrany ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa ho fanatanterahana ny vina sy fanamby napetraky ny fitondram-panjakana. Anisan’izany ny eo amin’ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra. Taorian’ny fiatrehana ny fihaonana an-tampony, andiany fahasivy, mahakasika ny fiaraha-miasan’i Chine sy Afrika. Nisy ny fitsidihana orinasa maro samihafa tao Chine, nataon’ny delegasionina malagasy, notarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina […]

Mitady vehivavy virijiny : tratra ny frantsay mpanararaotra ara-nofo

Sahy mivarotra ny fahadiovana mihitsy! Natolotra ny fampanoavana ny zoma lasa teo, taorian’ny famotorana nataon’ny polisy, ny teratany frantsay iray sy ny sakaizany ka samy naiditra am-ponja eny Antanimora. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha fanararaotana ara-nofo izay manana endrika fanondranana olona izy ireo. Ny talata 3 septambra 2024 izy ireo […]

Nitaky 10 tapitrisa Ar : tratra i André, mpaka an-keriny

Nosakanan’ny andian-dahalo ampolony nirongo basy tany amin’ny lalana mihazo an’i Tanandava, kaominina ambanivohitr’i Fanjakana, distrika Beroroha, ny fiara mpitatitra iray ny faran’ny herinandro teo. Nalain’izy ireo an-keriny tamin’izany ny mpamily mpanampy ka nitakian’ireo malaso vola 10 tapitrisa Ar tamin’ny fianakaviany mba ho takalon’ny famerenana azy. Nifanome tanana ny Tafika ao […]