Notanterahina ny asabotsy teo, tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola, ny fihaonan’i Fidimalala tamin’ ireo mpitia sy liana amin’ny bagasy. Nisongadina, sady vontoatin’ity fihaonana nokarakarain’ny Sehatra Bagasy ity, ny fizarana traikefa momba ny fahitan’i Fidimalala ny tontolon’ny zavakanto indrindra fa ny hira malagasy nandritra ny fotoana ela nijanonany tany […]
Mois : mai 2025
Tarika Exo: Seho nanjakan’ny fihetseham-po
Mandalo eto Madagasikara ny tarika Exo. Seho faharoa notontosainy ny tetsy Antsahamanitra, ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny ankapobeny, rakotra fihetseham-po ity fampisehoana «Ho tonga anie ny fanjakanao ity». Na, ireo teny an-tsehatra (mpitendry zavamaneno, mpihira, mpandihy). Na, ny mpijery tonga maro teny an-toerana. Samy nanjakan’io fihetseham-po io avokoa. Tao ireo […]
Tarika Kiaka sy Iraimbilanja : Nisongadina be ny fananana traikefa
Nahitana fampisehoana an-tsehatra ankalamanjana indray ny faran’ny herinandro teo. Samy nanana ny mpijeriny. Noho ny traikefa ananan’ny tarika tsirairay, anisan’ny niavaka ny tetsy Antsahamanitra. 30 taona aty aoriana… Notanterahina tao Antsahamanitra, omaly tolakandro, ilay seho lehibe «Mozik’Iray» iarahana amin’ny tarika Kiaka sy ny tarika Iraimbilanja. Tamin’ny 3 ora marina, nanomboka […]
TSELATRA
Zazakely vao teraka hita faty tao anaty tatatra tetsy Bemasoandro Itaosy, ny faran’ny herinandro teo. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anaty rano ka nisokitra izany. Nosokafana ny lamba ary zaza tsy nisy aina intsony no hitan’ny olona nifono lamba fotsy. Raha ny fanazavana voaray, narian’ny reniny mbola […]
Saika hanondrana volamena: Teratany Sri-lankais iray tratra tetsy Ivato
Tratra tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny ny lehilahy iray teratany Sri-lankais saika hanondrana vovo-bolamena 4 kilao, afakomaly. Saika haondrany hivoaka an’i Madagasikara, ho any Dubai, izany kanjo izao tratra izao. Nafeniny tao anaty “rice cooker” izay nentiny ireo vovo-bolamena ireo. Nozarazarainy sy notsinjarainy tao anaty harona plastika miisa efatra. Nofonosiny […]




