Mois : juin 2025

TARATRY ny KANTO

Handray ny “Fetin’ny Mozika” ihany koa ny eny amin’ny Tana Water Front Ambodivona, ny sabotsy 21 jona izao. Tarika 25 be izao no hifandimby ma­nomboka amin’ny 10 ora maraina, hizara mozika maroloko ao. Misy amin’ireo no vao misandratra, misy koa ireo efa malaza sy matihanina. Hisy ny fandraisana anjara manokan’ny […]

Na eo aza ny fanarahana vanim-potoana: Itoeran’ny fifanajana ny fanaovana fomba amam-panao

Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana fanatanterahana ireo fomba amam-panao, ankehitriny, ny fiarahamonina malagasy. Anisan’izany ny didimpoitra sy ny famadihana. Efa niova endrika tsy sahala amin’ny tany aloha izy ireny noho ny zava-misy samihafa. Io fiovana manaraka ny toetrandro io no mila fitandremana fatratra, satria, tsy tokony hanova ny fototra. Rehefa manao […]

“Festisôva » andiany faha-8 : Homena sehatra ireo mpisôva mpandimby

Mila homanina ny mpandimby mba tsy ho very ny kolontsaina. Mitodika any amin’ireo tanora mpanao vakisôva indray ny “Festisôva” andiany faha-8, amin’ity. Hisokatra amina sehatra hafa koa ny hetsika. 21 jona, “Fetin’ny mo­zika”. Nosafidiana manokana hanaovana ny “Festisôva” andiany faha-8 ihany koa io, eny amin’ ny Kianja basikety Andraisoro. Toy […]

FANTINA sy FINTINA

Nanazava momba ny fomba fiasa amin’ny fakana ny hetran-tany sy ny hetran-trano anivon’ny kaominina ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, omaly, tetsy Anosikely. Nambarany fa tsy lasan’ny fanjakana foibe ny vola amin’izany. “Tsy miova ny lalàna amin’izany. Hampiasa teknolojia ny fanjakana hanatsarana ny fampidiran-ketra”‘, hoy izy. Tsy hanaiky ny […]