Nampahafantatra tolotra vaovao efatra ho fanatsarana ny fiahiana sosialy ho an’ny orinasa sy ny mpiasa mandray karama ny Tahirimbolam-pirenena ho an’ny fiahiana sosialy (Cnaps), omaly, teny Alarobia. «Feno 70 taona ny Cnaps. Hanamafisana izany ny fidirana amin’ny vanim-potoana mikirakira ny niomerika», hoy ny tale jeneraliny, Rahaingonjatovo Vimbina. Hiara-miasa amin’ny banky […]
Mois : juin 2025
Tetikasa Ambatovy: nanolotra fitaovana ho an’ny BNGRC
Nanolotra fitaovana sy kojakoja samihafa ho an’ny Biraom-paritry ny loza voanajahary (BNGRC) Atsinanana, ny orinasa Ambatovy, ny 17 jona teo. Nanao sonia ny fifanarahana ny Tale jeneraly (DG) ny BNGRC, ny jeneraly Andriakaja Elack Olivier, sy ny talen’ny maha olona Ambatovy, Lasmaydah Sirega. Nanotrona koa ireo olo-manankaja maro, notarihin’ny préfet […]
Fiarovana ny tontolo iainana: fomba ahafahan’ny orinasa mifaninana ny RSE
Efa tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) ny fampandraisana andraikitra ny orinasa tsy miankina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Natao ny 19 jona teo, tetsy amin’ny Café de la Gare Soarano, ny hetsika Andraikitry ny orinasa ara-tsosialy (RSE) sady Paikady hisian’ny fampandrosoana maharitra (IDD), […]
Kaominina Arivonimamo II: nizara karatany 25 493 ny minisitera MFFT
Notanterahina omaly, teny amin’ny kaominina Arivonimamo II, ny fizarana karatany miisa 25 493. Ity tanàna ity izay anisan’ireo kaominina 26 misitraka ny tetikasa Tafita. Ny hetsika tahaka izao dia eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFTT), izay tarihin’ny minisitra Andriantsitohaina Naina. Tafiditra amin’ny fandaharanasa « Afafi Centre », […]
Fikirakirana ny tambajotra sosialy: miantraika amin’ny fomba fisainan’ny tanora
Marolafy ny fiantraikan’ny fampiasana tsy ara-drariny na diso tafahoatra ny tambajotra sosialy ho an’ny tanora. Fanamby ho an’ny fivoaran’ny fisainana sy ny fifandraisany eo amin’ny fiarahamonina ary fampandrosoana ny teknolojia niomerika. Fanamby goavana amin’ ny fampandrosoana ny firenena sy ny fomba fisainan’ny fiarahamonina ny fahaiza-mikirakira tambajotra sosialy. Nitondra fanazavana ara-tsiantifika […]




