Mois : juillet 2025

Hetsika fahatsiarovana: Feno fihetseham-po ny sehon-dry Rossy, Mily Clément, Da Hop

Fankalazana telo sosona, nomarihina tamina seho goavana iray. Samy nizara fihetseham-po ireo mpanakanto nosafidiana manokana, nanafana ny Coliseum. Fanamby tontosa iny ho an’ny Vision Madagascar. Tamin’ny 6 ora, hanomboka ny seho, mbola vitsy ny mpijery… Voka­tr’ilay niova toerana ve? Satria tokoa mantsy, saika teny Anta­­ninarenina no nanaovana ity seho ho […]

FANTINA sy FINTINA

Maherin’ny 20 ireo fikambanana na antoko politika nahatonga ny tolokevitra ho fanatsarana ny fifidianana, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, ny faran’ny herinandro teo. Efa nifarana ny zoma teo rahateo ny fe-potoana farany ahafahan’ny Ceni mandray izany. Handinika ny momba izany izy ireo mialoha ny fikaonandoham-pirenena amin’ny taona ho avy. […]

Pac Mahajanga : “Hoezahina ny hanasaziana ny raharaha kolikoly”

Notanterahina tamin’ny fomba manetriketrika, tao amin’ny Tendrompitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) Maha­jan­ga, ny herinandro teo, ny lanonam-pitsarana nametrahana amin’ny toerany ny lehiben’ny Fampanoavana ambony, Ranorine. Namelabelatra mazava ity lehiben’ny fampanoavana ambony vao napetraka amin’ny toerana ity ny amin’ireo ki­nasa sy vina ary koa ny paikady hirosoana amin’ny fanatanterahana ny andraikitra […]

Mifanapoizina an-toerana

  Mbola ao anaty fahasahiranana lalina ny vahoaka amin’izao! Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fisian’asa… Tsy mafy ady fa miady mafy. Amin’izany, saika fitanana fahavelomana sisa no zava-dehibe sy vitan’ny maro: rehefa tsy maty, dia izay. Izany aza efa manahirana. Efa mba misy fihatsarany ve ny fiainam-bahoaka amin’izay ataon’ny fitondram-panjakana? […]

IFI : “Adihevitra misokatra ny fe-potoam-piasan’ny filoha”

Naneho ny heviny momba ny fotoam-piasan’ny filoha ny sekretera jeneralin’ny Vovonana Ifi. Malalaka ny fanehoan-kevitra momba izany, araka ny nambarany. “Misokatra ny adihevitra demokratika ny amin’izany”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Vovo­nana Isika fikambanana mi­ara-dia amin’i Andry Rajoelina (Ifi), ny pasitera Razafindra­manitra Nestor, ny amin’ny filazan’ny olom-boafidy iray tany amin’ny faritra […]