Mois : juillet 2025

Taksiborosy tra-doza: Mpandeha roa maty, am-polony naratra

Zazavavy telo taona monja ny iray tamin’ireo mpandeha miisa roa maty nandritra ny lozam-pifamoivoizana tao Maevatanana, omaly maraina. Nivadibadika nivoaka ny arabe ny taksibrosy iray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra teo Anta­nimalalaka, kaominina Anta­nimbary, distrikan’i Maevata­nana, omaly maraina. Niainga avy any Ambositra io fiara mpitatitra io ary nikasa hihazo an’i Mahajanga. […]

Andrianambinintsoa Florent Pagny: “Ny fiezahanao ihany no hanananao fiainana tsara…”

Anisan’ireo Mala­ga­sy tanora efa fanta-daza amin’ny sehatry ny fanentanana sy ny fandrindrana lanonana eto Mada­gasikara Andria­nam­­­binin­tsoa Florent Pagny na i Pagny. Nitondra ha­fa­tra ho an’ireo ta­nora tahaka azy izy. Tanora iray efa manana ny toerany amin’ny re­saka fanentanana sy fandrindrana lanonana sy hetsika eto Madagasikara, Andria­nam­­binintsoa Florent Pagny na i […]

Asan-jiolahy tao Toamasina : Votsotra ireo zandary sy ny namany voarohirohy

Niakatra fitsarana tao Toamasina ireo olona fito voarohirohy tamin’ny raharaha asan-jiolahy ny taona 2024. Nahavoarohirohy zandary telo, sy Tafika iray ary sivily telolahy, araka ny antotan-taratasin’ ady lah 66- Toa/25. Samy nanda ny fiampangana azy avokoa izy rehetra ireo nandritra ny fotoam-pitsarana. Tsy nisy rahateo ny mpitory sy vavolombelona nandritra […]

Baolina kitra kaomorianina : Mandalo krizy ny Federasionina any an-toerana ?

Araka ny fikarohana na­tao, omaly, izay navoakan’ny lahatsoratra an-gazety iray, Sport News Africa, fantatra fa mandalo fotoan-tsarotra ny Federasionin’ny baolina kitra kaomorianina (FFC). Raha ny fanazavana azo tamin’ity gazety iray ity, tsy dia hita ao an-toerana ny filohan’ny Federasiona FFC, Saïd Ali Saïd Athouman, izay lany fanindroany hitantana ity rafitra […]

Raharaha vonoan’olona tao Vatomandry : Lehilahy iray voaheloka mandra-pahafaty

Notsaraina tao amin’ny efitrano fitsarana ambony, sampana ady heloka bevava, ny talata teo, ny antontan-taratasin’ady lah 61 – Toa / 25 mahakasika ny raharaha ady lova nitarika famonoan’olona, ny 04 febroary 2024, tao Bemasoandro,Vatomandry. Naharitra ora enina. Niantomboka tamin’ny 9 ora maraina, tsy nifarana raha tsy tamin’ny 3 ora tolakandro, […]