Mois : juillet 2025

INDRAY MIJERY

Fifaninanana « Word Travel Award ». Nandre­sy tamin’ny fanehoana ny maha natiora miavaka sy toerana tsy manampaharoa ho an’ny mpizahatany i Madagasikara. noharahabaina sy nankasitrahana ihany koa ny Andilana Beach Resort. Izy ireo izay nitazona ny anaram-boninahitry ny ranomasimbe Indianina ho an’ny torapasika lehibe indrindra, nandritra ny 10 taona nisesy. Tohana […]

BEPC-Taranja Malagasy: Nahazo naoty tsara ny ankamaroan’ny mpiadina

Efa mizotra ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ ny taranja Malagasy amin’ny BEPC raha vantany vao tontosa izany ny fiandohan’ny herinandro teo. Tsara ny vokatra satria nahazo “moyenne” ny ankamaroan’ny mpiadina ankoatra ireo tsy nahita hosoratana mihitsy, hoy ny mpampianatra mitsara izany. Tao anatin’ny boky izay tafiditra amin’ny fandaharam-piana­ran’ny kilasy […]

«Olympiades des métiers 2025» : 63 ireo mpandray anjara nifaninana

Tontosa teny anivon’ny renivohi-paritany enina manerana an’i Madagasikara, ny volana jona lasa teo, ny fifaninanana “Olympiades des métiers 2025 (WorldSkills Madagascar). Notanterahina teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampi­anarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Ao anatin’ny Direction de l’apprentissage et de la formation initiale. Na­nohana ny izany ny Unesco amin’ny alalan’ny tetikasa […]

Fiaraha-miasa sinoa-malagasy : Vita ny sonia momba ny vary manara-penitra

Tetikasa mikendry ny hanavao ny fambolena, ny hametraka an’i Madagasikara ho maodely amin’ny fiaraha-miasa sinoa-afrikanina. Hisy ny laboratoara manana fahaiza-mamakafaka ny kalitaon’ny voa sy ny fitiliana mialoha ny aretina sy ny bibikely hatsangana. Nanatanteraka fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa (MOU) ho­enti-manangana laboratoara mamakafaka vary manara-penitra ny Fiaraha-miasa stratejika eo amin’i Madagasikara sy i […]

TARATRY ny KANTO

Tsy mahay manaja ny Malagasy? Omena zavatra tsara, manimba. Omena toerana « avo », miteniteny foana. Omena fahalalana ambony, manaotao foana… Niova tanteraka ny Malagasy? Io tranga io, angamba, no araraotin’ny sasany hipetrahany eo amin’ny toerana tsy sahaza azy… Tranga maneho tsy fanajana ny hafa ihany koa ny tahaka io […]