Mois : juillet 2025

Jono : Mitentina 700 miliara Ar ny vokatra naondrantsika

Sehatra mahavelona sy mampidi-bola ny fitondram-panjakana ary mampanana asa ny tanora amam-behivavy ny jono sy ny toekarena manga. Ankehitriny, manodidina ny 150 000 ny mpanjono eto Madagasikara, eo amin’ny 2 tapitrisa kosa ireo mivelona mivantana na ankolaka amin’izany. Ny taona 2024, tafakatra 700 miliara Ar ny totalim-bidin’ny vokatra naondrantsika, raha 35,300 […]

Sanganehana sy fanina  

Tsy fantatra intsony ny zava-miseho eto amin’ny firenena ankehitriny. Toa mifanohitra izany ny toe-javamisy. Raha ny ezaka ataon’ny fitondrana, tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, dia manodoka tokoa. Maro ny zava-bita tao anatin’ny fotoam-pitondrana. Tena tsy nisy tao anatin’ny 65 taona nahazoana ny Fahaleovan­tena. Ao anatin’ny roa andro dia mahoraka ny […]

Fialantsasatra lehibe: Tafakatra 40 000 Ar ny saran-dalana mankany Toamasina

Nidina ny vidin-tsolika, fa hiakatra kosa ny saran-dalana mankany amin’ny faritra. Mifanandrify amin’ny mahabe ny mpandeha amin’izao fidirana amin’ny fialantsasatra lehibe izao izany. Hisondrotra daholo ny an­kamaroan’ny saran-da­lan’ny fiara mpitatitra mi­ainga eto Antananarivo mankany amin’ny faritra. Manodi­dina ny 5 000 Ar hatramin’ny 10 000 Ar ny fiakarany raha oharina ny teo aloha, […]

ONG Ketsa: Nandray an-tanana ankizy sahirana 300 isa, efa tafita ny 100 tamin’izany

Manampy ny ankizy sy fianakaviana sahirana ara-pivelomana sy misedra olana eo amin’ny ankohonana ny ivontoerana sy ny fikambanana tsy miankina. Anisan’ izany ny ONG Ke­tsa eny amin’ny kaominina ambanivohitra Alakamisy Fenoarivo. Tao anatin’ny 28 taona, maherin’ny 300 isa ny ankizy sy tanora sahirana noraisin’izy ireo an-tanana sy efa nampiany, raha […]

Tsy manaiky ny sata vaovao: Mikasa hitokona ny mpiasan’ny Jirama

Nanao fivoriambe ny vondrona sendika, ny Tamba­ben’ny mpiasan’ny Jirama (TMJ), omaly, teny Man­droseza. Maherin’ny 3 000 ireo nanatrika ny fotoana, nifototra tamin’ny sata vaovao hifehy ny orinasa ny lahadinika. Tsy eken’ny mpiasa ny sata vaovao hamadihana ny Jirama ho lasa Orinasa tsy anavahana anarana (Société Anonyme) farany teo. Fantatra fa hiditra […]