Mois : juillet 2025

Federasionina malagasin’ny Badminton : Nahazo fitaovana avy amin’ny rafitra iraisam-pirenena

Manana vaovao lehibe ny Federasiona malagasin’ny taranja Badminton (FMB). Araka ny fanazavana nataon’ny filohan’ny FMB, Ravalison Jean Aimé na i Môta, omaly. Nahazo fitaovana avy any amin’ny rafitra iraisam-pirenena mifehy ity taranja ity ny Malagasy. Ireo fanampiana ireo, izay hanavaozana ny taranja ka afaka lalaovina any ivelan’ny efitrano amin’izay ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanomboka omaly ny fiofanana CAMS (Cours avancée en management du sport), andiany faha-7. Fiofanana omen’ny Kaomity olympika malagasy, izay haharitra 6 volana. Miisa 18 ireo mpiofana amin’izany. Mbola mitana ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona misy azy, tany Tsiroanomandidy, ny Disciples Espoir FC, araka ny fikarohana natao, omaly. Tamin’ireo fihaonana […]

fanatanjahantena : Mpanao gazety miisa 39 niofana

Rafitra iray anisan’ny mampihodina ny fanatanjahantena eto Madagasikara ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena. Mampita sy manabe ary mitondra ny anjara birikiny amin’ny alalan’ny vaovao avoakany izy ireo ka antoka iray mampandroso ny taranja tsirairay. Mila ampy fahalalana anefa ireo mpanao gazety rehefa mikirakira ny vaovao ka anisan’ny tokony hifehezany ny […]

Filohan’ny FIFA : Ho avy hitokana ny ivontoerana eny Carion

Tetikasa fampandrosoana ny baolina kitra maro no niasan’ny filohan’ny federasiona malagasy (FMF) mafy tamin’iny tapa-taona voalohany iny. Anisan’izany ny fanatsarana ny ivontoerana teknika eny Carion sy ny fahazoana fiarabe ho an’ny Barea. Fantatra nandritra ny va­lan­dresaka nataon’ Andriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, teny Isoraka, fa hotokanana […]

VAOVAO TAMBATRA

Hojeren’ny Filoha Rajoelina Andry ny fahasimban’ny lalam-pirenena faha-7. Toraka izany koa ny fametrahana ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro. Hampitomboina ny tranobe Building Mora. Havaozina ny lalamby Fianarantsoa-Manakara, nanamarihiny fa tsy azo hadinoina intsony ity lalam-pitaterana stratejika ity. Manomboka ny fanarenana ny lalana RN13, mampitohy an’Ikalamainty sy Betroka. Anisan’ny […]