Mois : juillet 2025

Tetikasa Miarova : Nampatanjaka ny rafitra ara-pahasalamana

Mikatona tanteraka ny tetikasa Miarova. Nisongadina ny zava-bita, raha ny tatitry ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Yasmine Lethicia Lydia. Nandritra ny 5 taona ny tetikasa, izay nanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana, nikendry ny fanatsarana ny rafi-pahasalamana manerana ny Nosy amin’ny fisitrahan’ny olona vaksiny. Niha mafy hatrany ny tanjaky ny […]

Foibe Jean Joseph Rabearivelo : Nilamina ny fizotry ny fanadinana BEPC

Nanaraka ny lamina araka ny tokony ho izy ny mpiadina rehetra eo amin’ny foibem-panadinana Jean Joseph Rabearivelo ka tsy mbola nisy ny fahasarotana hatramin’ny omaly. Mizotra ara-dalàna hatreto ny fanadinam-panjakana BEPC ao amin’ny foibe Jean Joseph Rabearivelo nanomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny omaly. Miisa 1 349 ireo mpiadina ao amin’io toeram-pianarana […]

SOMBIM-BAOVAO

Nifarana afakomaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny hetsika lehibe « Salon national des sports », izay notontosaina nanomboka ny zoma 28 jona. Samy afapo tamin’ity hetsika ity avokoa ireo mpiantsehatra rehetra tamin’izany, indrindra ireo federasionina mijoro ara-dalàna eto Madagasikara. Afaka iray volana, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika […]

JJB-Tapa-taona faharoa : Fifaninanana dimy no miandry

Feno ny fandaharam-potoan’ny Federasionina malaga­sin’ny Jiu-jitsu breziliana, tamin’iny tapa-taona voalohany, ho an’ny taona 2025, iny. Nisy ny fifaninanana nasionaly sy iraisam-pirenena, seminera, fiofanana maro isan-karazany. Tsy ambaka an’izany anefa ny amin’ity enim-bolana faharoa ity izay hanan-danja tokoa. Fifaninanana efatra no hitranga eto an-toerana. Voalohany amin’izany ny Kids BJJ Games “Gi”, […]