Mois : juillet 2025

FANTINA sy FINTINA

Handray ny filankevitry ny minisitra mitety faritra ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony, Fianarantsoa, anio. Hitarika izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Ankoatra ny fijerena ny olana sy ny vahaolana eny ifotony, eo koa ny fitokanana ireo zava-bita any an-toerana, toy ny hopitaly manara-penitra, coliseum… Eo koa ny fanampiana sosialy. […]

Fifidianana loholona : Tsy tokony ho sakana ny tsy fahafenoan’ny mpifidy

“Tamin’ny fifidianana loholona farany teo, ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina ihany no nifidy. Horaisina ho didy fakan-tahaka ve izay? Raha ny lalàna fototra, tokony hoe feno ny mpifidy vaventy. Tsy tokony ho sakana amin’ny fifidianana loholona ny tsy fahafenoan’ny mpifidy. Ny finiavana sy fanapahan-kevitra politika no tsy ampy”. Io […]

Mila mitovy tadindokanga 

  Hanomboka anio indray ny fitetezam-paritra ataon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Hitodika ao an-drenivohitr’i Matsiatra Ambony indray ny mason’ny mpanara-baovao manerana ny Nosy. Maromaro ny zava-bita hotokanana. Misy ny ao an-tampon-tanàna, eo ireo any amin’ny tanàna manodidina. Betsaka izy ao, hoy ny tsy mahay manisa! Manao rodombe any an-toerana ny […]

Antenimierampirenena : Lany ny tolo-dalàna momba ny fifidianana loholona

Lany nasiam-panitsiana ny tolo-dalàna momba ny fifidianana loholona natolotry ny loholona Tsiebo Mahaleo. Nila ny antsasa-manilan’ny solombavambahoaka ny fandaniana izany noho ny maha lalàna fehizoro azy. Na nifandroritana aza ny latsa-bato miafina sy nandraisana ny fanomezam-pahefana hifidy avy amin’izay depiote tsy tonga, teny anivon’ny Antenimieram­pirenena, Tsimbazaza, omaly: lany tamin’ny isam-bato […]