Mois : juillet 2025

Tsipy kanetibe – «Mondial La Marseillaise»: Ekipa roa hiaro ny voninahitr’i Madagasikara

Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe, any France, amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny «Masters» sy ny «Tournoi estival», hiatrika ny «Mondial La Marseillaise», indray izy ireo ka ekipa roa no hifaninana amin’izany. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan-dalao ataon’ny ekipam-pirenena mala­gasy, taranja tsipy kanetibe, amin’ity taona 2025 […]

TARATRY ny KANTO

Nofoanana ilay fampisehoan’i Thurgot Théodat, saika hatao ny zoma 4 jolay izao, ao amin’ny IFM Analakely. Noho ny antony ara-pahasalamana no tsy hahafahan’ity mpanakanto mpiangaly ny jazz ity. Tsy foana kosa ny fifankalozana izay hatao manodidina ny jazz, ny famoronana ary ny fifandraisana eo amin’ireo samy mpanakanto, izay hatao manomboka […]

Sehatra bagasy : Hira miisa 20 handravaka ny « Atrikefa bagasy marolafy »

Hiavaka tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay ny hetsika karakarain’ny Sehatra Ba Gasy. Ny sabotsy 5 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy 30 minitra, ao amin’ny efitrano malalaka Aro Antsa­havola no hanatontosana ny « Atrikefa bagasy marolafy ». Hitodika any amin’ny firenena, ho an’ny mpianatra manala fanadinana ary ireo niharam-boina samihafa, ny […]

Voka-pikarohana : Mifamatotra ny valiha sy ny fanahy

Hanatanteraka velakevitra momba ny « fifamatoran’ny valiha sy ny fanahy » ireo mpampianatra eo anivon’ny foibe fikarohana sy fampianarana Valiha Académie. Sambany teo amin’ny tantaran’ny valiha sy ny zavapanahy no hisy tahak’izao, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny seraseran’ity foibe ity. « Fikarohana an-taona maro no nahatongavana sy nahafahana nanaporofo fa […]

« New York Independant Art Film Festival » : Manohy ny lalany ny « Débout », an’i Felana Rajaonarivelo

Taranja iray anisan’ny nahenoina anarana teratany malagasy vitsivitsy kanefa nahavita zavatra goavana ny sarimihetsika. Mbola manamarina izany ny fahafantarana fa hiatrika sehatra lehibe ilay horonantsary « Débout » an’i Felana Rajaonarivelo. Manaitra, misongadina, mampihetsi-po… Midi­ka izay fa mipaka ny hafatra anatin’ilay horonantsary « Débout », notontosain’i Felana Rajaonarivelo. Niha­naka vetivety ny lazany, ka anisan’ireo […]