Mois : juillet 2025

Tazomoka any Ikongo : Efa mandray andraikitra ny governemanta

Mihamahery ny tranga tazomoka any amin’ny distrikan’Ikongo, amin’ izao fotoana izao. Manoloana izany indrindra, nanao fanambarana ny minisitry ny Sera­sera sy ny kolontsaina (MCC), sady mpitondra tenin’ny gover­nemanta, Mara Volamiranty Donna, omaly. “Efa mandray andraikitra ny governemanta, miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo rafitra samihafa, araka ny toro­marika avy amin’ny filoham-pirenena, […]

TSELATRA

Jiolahy iray lavon’ny balan’ny polisy tao Fara­fangana, afakomaly alina. Jiolahy maromaro no hita nivory tao amin’ny fokotany Andranomakoko. Nikasa sy nikononkonina fanafihana iray tao an-toerana izy ireo. Nitifitra izy ireo vao nahita ny polisy no sady nandositra. Lavo nandritra ny fifampitifirana ny iray tamin’izy ireo. Dahalo iray lavon’ny balan’ny zandary […]

Anosizato : Tovolahy iray hita faty tao anatin’ny ranon’Ikopa

Tovolahy manodidina ny 15 taona, hita faty tao anaty rano teny amin’ny reniranon’Ikopa, Anosizato, omaly atoandro tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany. Mpanarato eny an-toerana no nahita olona nisaringotra tamin’ny harato. “Olona telo no nifarimbona nisokitra azy sy nampiakatra azy avy ao anaty rano tamin’izany”, hoy ireo nanatri-maso. Raha […]

Fahamaizana : Trano sivy hotohoton’ny afo

Kilan’ny afo ny trano lehibe iray niampy trano hafa miisa valo tao Toamasina Renivohitra, omaly hariva tamin’ny 5 ora. Niainga tao amin’ny trano iray amin’ireo fivarotana zava-pisotro mahamamo manamorina ny ranomasina ny firehetana. Niitatra ny afo avy eo. Nifanampy tamin’ny fifehezana ny loza ny mpiara-monina. Nigadona teny an-toerana rahateo ny […]

4×4 tra-doza teny amin’ny RN7 : Olona roa niara-namoy ny ainy

Niara-maty ny mpamily sy lehilahy iray hafa nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, 6 km tsy hidirana ny tanànan’Ambatolampy, omaly maraina. Nivoaka ny lalana tampoka, nifatratra tany anaty rano ny fiara tsy mataho-dalana iray, teny amin’ny RN7, PK 62, fokontany Miada­manjaka, kaominina ambanivohitra Manjakatompo, distri­kan’Ambatolampy, omaly ma­raina tamin’ny 6 […]