“Fanairana!” Nanao fanambarana tetsy Anosy, ny Tafo Mihaavo mahakasika ny fitrandrahana tsy ara-dalàna manerana an’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Araka ny filazan’izy ireo, mampidi-doza ny tontolo iainana sy ny fiainan’ny mponina eny ifotony io zava-misy io. Raha ny filazan’izy ireo, mbola mitohy ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna any amin’ny faritra […]
Mois : août 2025
Soanierana Ivongo – Toamasina: Mitaraina amin’ny lalana ny mpamily
Ratsy dia ratsy! Izay no azo ilazana ny lalana mampitohy an’i Toamasina sy i Soanierana Ivongo. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny mpamily any an-toerana, ny sabotsy lasa teo, mitaraina izy ireo amin’io lalana io, mandany adiny folo be izao ny zotra iray. “Tsy vitan’ny hoe efa olana ilay lalana fa […]
VAOVAO TAMBATRA
Nifarana omaly ny fikaonandoha nasionaly nametrahana ny hoavin’ny jono eto Madagasikara, iarahana amin’ny fifanarahan’ny Vondrona maneran-tany momba ny varotra (OMC). Naharitra roa andro ny hetsika nifarimbonan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra. Notontosaina tao amin’ny Kaominina Sainte Marie, distrikan’i Sainte Marie, […]
Orange Money sy ny PAMF : Nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fanamorana ny fikirakirana vola
Ho fampiroboroboana ny resaka fikirakirana vola niomerika na “Mobile Money”, nanamafy ny fiaraha-miasan’izy ireo indray ny Orange Money sy ny Premiere agence de micro finance (PAMF). Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny Gara Soarano, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Orange Money Madagascar sy ny Première agence de micro finance (PAMF). Tanjon’ […]
INDRAY MIJERY
Nifarana omaly ny fanadinam-panjakana “Certificat d’aptitude à l’enseignement dans les écoles primaires” (CAE/EP ) an-tsoratra, taona 2025, izay naharitra roa andro. Natokana ho an’ireo mpampianatra hisehatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga voalohany ity mari-pahaizana ity. Notanterahina manerana ny Dren 23 eto Madagasikara izany, ka miisa 4 185 ireo mpiadina nisoratra anarana […]




