Fahombiazana no azo ilazana ny hetsika fanentanana momba ny fampinonoan-dreny nimasoan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka manerana ny Nosy, nandritra ny herinandro. Manao ho vaindohan-draharaha ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny fanjakana. Misoratra mazava ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana rahateo izany. Antoka fototra hiantohana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny fampinonoan-dreny. […]
Mois : août 2025
Fanairana momba ny loza : Tombanana ny ezaka vita
Tanterahina eny Andakana, hatramin’ny anio, ny atrikasam-pirenena momba ny Tanjona fahefatra mahakasika ny fanairana mialoha ho an’ny rehetra (EW4ALL), hisorohana ny fahavoazana rehefa misy loza. Iarahan’ny BNGRC, ny Croix-Rouge Malagasy, ny Fédération internationale des sociétés de la Croix-Rouge et du Croissant-Rouge na FICR ary ireo mpiara-miombon’antoka manatanteraka izany. Mikendry ny […]
Mpianatra tsy afa-panadinana : Mila tohana ara-tsaina avy amin’ny ray aman-dreny
Hiatrika ny taom-pianarana vaovao ny kilonga ny 8 septambra izao, ho an’ny ambaratonga voalohany sy faharoa. Ho an’ireo tsy nahomby tamin’ny fanadinam-panjakana na tsy nisondrotra kilasy, ilaina ny tohana ara-tsaina avy amin’ny ray aman-dreny. Nivaly avokoa ny fanadinam-panjakana telo notontosaina ho an’ny taom-pianarana 2024-2025 ary hiatrika ny taom-pianarana vaovao indray […]
TARATRY ny KANTO
Tsara ny fifaninanana… Saingy, mila tazonina ny vokatra « mendrika » azo avy amin’izany. Raha mijanona eo amin’ny fifaninanana, ho afon’ampombo ihany. Arahina akaiky ny zotran’ireo mpanakanto na talenta vao misondrotra. Ilain’izy ireny ny torohevitra, ny fanoroan-dalana, sns. Io no tsy ampy ho an’ireo mikarakara fifaninanana eo amin’ny kolontsaina sy […]
“Tana Fashion Days by Yas”: Roa andro hivelaran’ny lamaody malagasy
Fotoana manaraka hamirapiratan’ny foron-damaody sy ny haihaingo. Hotontosaina ny 26 sy 27 septambra izao ny “Tana Fashion Days by Yas”, araka ny fanambarana ofisialy natao omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Andraharo. Hampiray amina toerana sy fotoana iray ireo mpisehatra rehetra amin’ny haihaingo sy ny lamaody ny tanjona. Eo ireo mpamorona, […]




