“Ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, no filoha mitantana ny vondrona Sadc. Tena goavana izany eo amin’ny lafiny diplaomasia. Midika izany fa rehefa mivoaka manatanteraka iraka any ivelany ny filoha, manao izany amin’ny anaran’ny firenena 16 mpikambana eo anivon’ny Sadc”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sady lehiben’ny diplaomasia malagasy, Rasata […]
Mois : août 2025
Tsy ny Malagasy samirery !
Mahita lazaina foana ny olombelona! Tsy mety afapo amin’izay mitranga. Resabe indray hatry ny omaly ny mahakasika ny tsy fahatongavan’ny antsasa-manilan’ireo filoham-pirenena mandrafitra ny Sadc, afakomaly. Entina hanatsatsoana ny ezaka goavambe vitan’i Madagasikara sy ny fitondram-panjakana tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nahatonga solontena avokoa anefa izy rehetra fa tsy […]
Filohan’ny Sadc : «Niavaka ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonambe»
“Niara -niaiky ny rehetra fa tena azo alain-tahaka sy niavaka indrindra tamin’ireo fihaonana natao tao amin’ny Sadc ny teto Madagasikara”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny Sadc, Rajoelina Andry, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny CCI, Ivato, afakomaly alina, taorian’ny lanonam-pamaranana. Tao anatin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampony: mamiratra sy manao […]
TSELATRA
Naratra voatora-bato ny vehivavy iray sy zazakely iray tao anaty taksiborosy tany Toamasina, omaly hariva. Nanao fihetsiketsehana ireo mpianatry ny Oniversite Barikadimy noho ny fahatapahan-jiro lava. Nitoraka tamin’ny vato izy ireo ary izao nahavoa mpandeha fiara izao. Ramatoa lehibe iray nampihatra herisetra tamin’ny zafikeliny nosamborina sy nohadihadiana eny anivon’ny biraon’ny […]
Mpanao gazety voatafika: Voaroba avokoa ny fitaovam-piasany
Tokantranon’ny mpanao gazety iray monina sy mipetraka ao Tanamakoa, Toamasina, lasibatry jiolahy ny alin’ ny alahady hifoha alatsinainy 18 aogositra, tamin’ny 1 ora sy 30 minitra maraina lasa teo. Tapaka ny herinaratra sady oram-be tamin’io fotoana io. Tsy tao an-tokantrano, mbola tany ambanivohitra nanao fikaroham-baovao io mpanao gazety io. Efa-dahy […]




