Mpianatra enina mianadahy avy ao amin’ny University of Geosciences (Wuhan) sy ny Institut Confucius Toamasina, izay ao Barikadimy ihany ny foibeny, no nahazo vatsim-pianarana handranto fianarana any Chine. Ny volana septambra ho avy io no efa hanomboka ny fidirana an-tsekoly any an-toerana. Noraisin’ny filohan’ny oniversiten’i Barikadimy, ny profesora, Diny Razanakolona, […]
Mois : août 2025
Amboara Wordskills 2025: Tanora efatra no nisongadina tamin’ ny seha-pihariana samihafa
Efatra mianadahy no nivoaka ho mpandresy tamin’ny fifaninanana « Olympiade des métiers 2025 » Wordskills. Notanterahina teto an-drenivohitra ny famaranana ny hetsika. 18 ireo mpandray anjara amin’ny sehatrasa efatra: asa hazo, fanenomana, petakofehy ary lamaody. Efa nisy fifantenana teo anivon’ny faritany enina ka nisongadina izy 18 mianadahy amin’ny sehatra nasionaly. Tanjona ny […]
160 000 Ar ny kilaon’ny kofehin-dandy : Telo andro ny fanenomana lambabe iray
Vehivavy no tena maro anisa mivelona (mamoly, mahandro, manenona) amin’ny tenona, raha 2% monja ny lehilahy. Aman’arivony ny mpikambana tao anatin’ny Vovonana, ahitana ny minisitera vitsivitsy, ny faritra ary ireo mpikirakira landy mivondrona. Nihena ny mpikambana taty aoriana vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana. Vokatr’ izay, nihalafo ny vidin’ny kilaon’ny kofehy. […]
Tandindonin-doza ny alatapia ao Arivonimamo II : Seha-pihariana mamelona olona aman’arivony ny fanenomana landy
Misy ny asa omen’ny harena voajanahary azontsika sitrahina ahazoana tombontsoa. Vondron’olona misitraka izany ny olona manenona landy ao amin’ny distrika Arivonimamo, faritra Itasy. Araka ny tantara, avy any Arivonimamo ny lambalandy nitafian’ny mpanjaka rehefa hikabary manoloana ny vahoaka izy. “Miankina amin’ny tontolo iainana ao amin’ny alatapia, toy ny landy, olatra, […]
TARATRY ny KANTO
« Fianar’Rire ». Atrikasa ho an’ireo mpanao hatsikana, na matihanina na tsia, izy ity. Mahakasika ny fampihomehezana sy fihazonana ny mpijery hanaraka ny hatsikana hatao ny lohahevitra. Hotontosaina ao amin’ny Alliance Française Fianarantsoa, anio 16 aogositra amin’ ny 8 ora sy sasany izany. Arahina fampisehoana izany rahampitso amin’ny 2 ora sy sasany, […]




