Tomefy olona i Mahajanga. Anatin’ny ivon’ny fialantsasatra mihitsy, ka maro ireo fandaharam-potoana ho an’ny fianakaviana, na tompon-tany na vahiny. Lehibe indrindra amin’ ireny ny «Star Tour», izay nanomboka omaly, eo amin’ny Bord Mahajanga. Vao tolaka ny andro dia nanomboka ny karazam-pialamboly maro. Misy ireo lalao ho an’ny ankizy, izay tazana […]
Mois : août 2025
Hiragasy: Navadika Ramilison Besigara
Anarana tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’ny hiragasy. Tontosa ny alarobia lasa teo ny famadihan-drazana, namonosana indray an-dRamilison Besigara Fenoarivo, tany Mandrosoa, kaominina Morarano Antongona, distrikan’Arivonimamo. Nanotrona izany fotoan-dehibe izany ireo ao anatin’ny zavakanto, indrindra ireo mpanakanto novolavolain-dRamilison fahavelony. Teo ihany koa ireo zaza mandimby, mbola mamelo-maso ny hiragasy hatramin’izao, izay misandrahaka […]
« London Design Festival 2025 » : Voaantso hampiranty ny sanganasany i Kiady Ratovoson
Tsy mena-mitaha ny vita malagasy. Efa miakatra ny tsena iraisam-pirenena ny forona malagasy, satria voaasa amin’ilay hetsika goavana sy malaza indrindra amin’ny « design » i Kiady Ratovoson. Mamirapiratra maneran-tany ny vita malagasy ! Porofon’izany, nasaina manokana handray anjara amin’ny «London Design Festival 2025» i Kiady Ratovoson. Hetsika malaza sy iraisam-pirenena hanasongadinana ny […]
FANTINA sy FINTINA
Vahaolana sy hampitony ireo manampahaizana ny fanesorana ny mpitondra tenin’ny filohan’ny Repoblika, Ranoromaro Lova Hasinirina, araka ny nambaran’ny Dr Lahiniriko Denis Alexandre. “Manaporofo izany koa ny nilazany fa tsy mahazo ny tiany holazaina ny vahoaka. Manambany sy manamaivana olona izany”, hoy izy. Maherin’ny 5 000 miliara Ar ny vola nampiasaina […]
Fihaonana an-tampon’ny SADC: Nandinika ny olana politika ny rafitra Troïka
Ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, nifarana teny amin’ny CCI, Ivato, afakomaly, ny filankevitry ny minisitra, notarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika. Anisan’ny voadinika tamin’izany ny fehinkevitry ny fivorian’ny kaomitin’ny mpiasam-panjakana ambony sy ny ma-nampahaizana ny 4-6 aogositra. Teo ny amin’ny tetibolan’ny vondrona 2025 sy 2026. Teo koa […]




