Mois : août 2025

Mandroso tsimoramora  

Efa hita taratra ny fivoarana eto an-dRenivohitra amin’izao fotoana izao. Miova endrika ny tanàna. Efa mba tazatazana tsikelikely ny fitovitovizana amin’ny firenena any ivelany ireny. Mipoitra miandalana ny fandrosoana amin’ny alalan’ny famitana fotodrafitsara. Vita izay ny ampahany voalohany amin’ny teleferika. Hotokanana rahafakampitso ny lalambe migodana. Aiza koa ro hahita? Tsy […]

Velakevitra momba ny Sadc: Manana anjara toerana amin’ny fampandrosoana ny mpikaroka

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny mpikaroka sy manampahaizana eny amin’ny Oniversite, araka ny nambaran’ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc, i Elias Magosi, tamin’ny fanombohana ny velakevitra ho an’ny besinimaro teny amin’ny oniversite Ankatso, afakomaly, ao anatin’ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Tokony ho sehatra malalaka ho an’ny firenena […]

TSELATRA

Avotra teny am-pelantanan’ny mpaka an-keriny ny zazavavy 5 taona tao Amparafaravola, omaly maraina tamin’ny 4 ora sy sasany. Nitaky 50 tapitrisa Ar tamin’ny fianakavian’ny lasibatra ireo mpaka an-keriny. Nanao izay ho afany namerenana ny zaza lasibatra kosa ny zandary. Nodarodarohan’ny fokonolona ny mpangalatra iray tratra teny Anosibe, omaly maraina. Za-dratsy, […]

Ady amin’ny zava-mahadomelina : Nentanina ny mponin’i Toliara

Nidina ifotony nanao fanentanana ny mponina tany Mangily Toliara II, mahakasika ny ady amin’ny zava-mahadomelina, ny polisim-pirenena, ny 13 aogositra teo. Faritra anisan’ny tena ahitana rongony « cannabis » na jamala, izay fahita matetika eto Madagasikara, ny any Toliara. Tsy mijanona fotsiny amin’ny fanenjehana an’ireo olona tompon’antoka amin’ny fivarotana sy […]