Mois : août 2025

TSELATRA

Roa lahy naiditra am-ponja eny Antanimora, ny sabotsy 9 aoagositra teo, taorian’ny nahatraran’ny polisy azy tetsy Antohomadinika IVO. Nangalatra jiro tao an-tokotanin’olon-tsotra izy roa lahy ireo, ny alakamisy 7 aogositra teo, ka noraisim-potsiny. Taxi-be 133 tapaka hisatra tampoka ka nifatratra tamin’ny tranon’olona teny Itaosy, omaly. Potika tanteraka ny lohan’ilay fiara. […]

Notafihin’ny jiolahy : Namoy ny ainy ilay voavely “barre à mine”

Novelesin’ny olon-dratsy tamin’ny alalan’ny vy lehibe “barre à mine” teo am-panokafana varavaran’ny trano, namoy ny ainy, ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Vohidrazana, kaominina Ambatosoratra, distrika Ambatondrazaka, ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy 9 aogositra teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io ka naka vehivavy […]

67Ha Avaratra: Lehilahy mpangarom-paosy voasambotra

Lasibatry ny harom-paosy matetika ireo olona miandry fiara sy ireo mpandeha fiara fitateram-bahoaka. Lehilahy iray no voasambotry ny polisim-pirenena teo am-pangaronana paosin’olona tetsy 67Ha Avaratra, afakomaly hariva. Miara-mijoro amin’ireo mpiandry fiara fitateram-bahoaka etsy amin’ny Parking 67Ha Avaratra io olon-dratsy io. Mandritra ny fihazakazahana manenjika fiara no hanararaotany hangaronana ny paosin’olona. […]

Voatifitry ny polisy : Jiolahy niarina tao amin’ny tranom-paty

Jiolahy miisa efatra voatifitry ny polisy tao Toamasina ka voalaza fa namoy ny ainy avokoa, afakomaly alina. Tovolahy 17 taona iray tamin’ireo jiolahy, niarina tampoka tao amin’ny tranom-paty. Hagagana ny an’ny rehetra teo anoloan’ny tranom-patin’ny Hopitaly Be Toamasina, omaly. Jiolahy miisa telo hita faty tao amin’ny tranom-paty ny maraina raha […]