Mois : août 2025

ONG Destiny Rescue: Nitsidika ny kaomisaria Antsiranana

Tonga nitsidika ny kaomisaria foibe Antsiranana ny tale jeneralin’ny ONG Destiny Rescue ny alakamisy 7 aogoditra teo. « Vonona ny hiara-hiasa amin’ny Polisim-pirenena ny fikambanana mba hampahomby ny ady amin’ny herisetra ara-nofo ary indrindra ny famarinana olombelona atao amin’ny ankizy », hoy ny tale jeneralin’ny ONG, Joseph Iskandar. Mandray an-tanana ireo ankizy […]

Tolokevitry ny Ceni: Hatao amin’ny novambra ny fifidianana loholona

Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa efa nandefa ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana ireo ho loholona eny anivon’ny governemanta izy ireo. Tokony hotontosaina ny volana novambra ho avy izao izany, araka ny tolokevitr’izy ireo. “Miandry ny fanapahan-kevitry ny rafitra mpanatanteraka momba izany izahay”, hoy ny mpampakan-tenin’ny Ceni, Soava Andriamarotafika ny faran’ny […]

ASIEF : Hatao any Manakara ny Asief 2026

Ao anatin’ny famaranana ny fifaninanana avokoa amin’izao fotoana izao, ny taranja rehetra amin’ny fifaninanana Asief (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires) tanterahina any Mahajanga. Nisy ny dinika nifanaovana ka efa fantatra sahady fa any Manakara no hanatanterahina ny Asief 2026, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean […]

Toamasina : Tsy afa-po tamin’ny didim-pitsarana ny niharam-boina

Taorian’ny nahatrarana ilay jiolahy nandroba Cash point, ny 24 jona lasa teo, nivoaka ny didy manameloko azy. Tsy afapo tamin’izany ny niharam-boina Ny 6 aogositra teo, nivoaka tetsy amin’ny Lapan’ny fitsa­rana am­ba­ratonga voalohany ny didim-pitsarana ilay raharaha momba ilay jiolahy tratra ambodiomby ka saika matin’ny fitsaram-bahoaka, ny 24 jona lasa teo, raha nikasa […]

INDRAY MIJERY

Nisy fandidiana fanarenana faobe ireo vehivavy tratry ny aretina mamany lava eo anivon’ny CHRR Amboanato ao amin’ny faritra Anôsy. Natao hameranana indray ny hasin’ny maha olona sy hamerenana ireo vehivavy niharan’ny fanilikilihana teny anivon’ny fiarahamonina izany. Miara-manatanteraka izany ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatra ara-pahasalamana maro. Nihaona tao […]