Mois : août 2025

Diosezy Fenoarivo Antsinanana : Tontosa ny famehatrahana ny Mgr Marek Ochlak, Eveka vaovao

Tontosa, omaly, tao amin’ny kianja manara-penitra fanaovana baolina kitra Sahavola, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Eveka vaovao hitantana ny diosezin’i Fenoarivo Atsi­nanana. Ny Mgr Marek Ochlak no voafidin’ny Pa­pa Fransoa hitantana io diosezy io.  Nomarihana tamin’ny alalan’ny Sorona Ma­sina izay notarihin’ny Nonce Apostolique miaraka amin’ny Kardinaly Arsevekan’i Toamasina izany. […]

VAOVAO TAMBATRA

Hatao ny 14 aogositra ho avy izao ny famelabelaran-kevitra, eny amin’ny efitrano Grand Amphi Fac EGS Ankatso. Mahakasika ny fampiasana angovo azo havaozina sy ny fanovana ny rafi-pambolena amin’ ireo firenena mpikambana ao amin’ny Sadc ny lohahevitra. Izany dia tafiditra ao anatin’ny hetsika mandrafitra ny fihaonana an-tampon’ny Sadc atao eto […]

Fanondranan’entana mankany Etazonia: Nihatra nanomboka ny 7 aogositra ny haba 15%

Tsy tataovana ilay haba vaovao 15% fanampiny, napetrak’i Etazonia, ny harena an-kibon’ny tany, ny fitaovam-pianarana sy ny sosialy. Anisan’ny iharany kosa ny lavanila. Nanome fanazavana mi­simisy kokoa ho an’ny Fadintseranana mala­gasy, mahakasika ilay haba vaovao, tataovana 15%, ny rafitra amerikana Customs and Border Protection (CBP). Ampiharina ho fanampin’ireo haba efa […]