Tsy mbola lohalaharana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ny kilonga malagasy eo amin’ny fifaninanana natokana ho azy ireo, na ny lalaon’ny vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI). Fihaonana notanterahina tatsy amin’ny Nosy Seychelles. Raha ny haben’ny firenena sy ny hamaroan’ny mponina ao aminy, lehibe sy goavana i Madagasikara. Ny mifanohitra amin’izany anefa ny […]
Mois : août 2025
CHAN 2025 – Barea (1) – Tanzanie (2): Manify ny fanantenana ho an’ny Barea de Madagascar
Tsy mbola nahazo fandresena ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Lavon’i Tanzanie mantsy izy ireo, nandritra ny andro faharoa ho an’ny fifanintsanana vondrona «B». Kely ny herijikan’ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho […]
CJSOI Seychelles : Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy
Nikatona tanteraka ny lalaon’ny CJSOI andiany faha-13, ny faran’ny herinandro teo, notanterahina tany Seychelles. Tsy nitsanga-menatra ny solontena malagasy nandritra izany. Tsy nitsanga-menatra ny solontena malagasy niatrika ny fifaninanana raha ny vokatra azo. Medaly 49 (15 volamena, 19 volafotsy ary 15 alimo) no norombahin’ny Malagasy ary eo amin’ny laharana fahatelo […]
TARATRY ny KANTO
Tanterahina manomboka anio any Chine ilay hetsika kolontsaina lehibe momba ny fandriampahalemana. Anisan’ny mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Ireo mpitendry zavamaneno sy mpihira ary mpandihy avy ao amin’ny Zanabaliha no hitondra sy haneho eo imason’izao tontolo izao ny amin’ny fahitany ny soa azo avy amin’ny fampanjakana io fandriampahalemana io. Iray […]
Antsahamanitra : Nifankatia tokoa ry Rebika sy ny mpankafy
« Ndao hifankatia » ! Lohatenin’ny fampisehoana notontosain’ny tarika Rebika tao Antsahamanitra, omaly tolakandro. Nanaraka izay tokoa ny zava-nisy. Nifankatia fatratra, nampifamatoran’ny hira ny samy mpijery, ny mpijery sy ny tarika Rebika ary ireo mandrafitra ny tarika teny an-tsehatra. Niverenana ny tany amin’ny 30 taona lasa. Niaraka nohiraina ny sanganasan’ny tarika sy nampalaza […]




