Ny zavakanto tsara indrindra avy any aminy no natolotr’i Tovo J’Hay ho an’ny mpijery tonga maro tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina, omaly tolakandro. « Samy tia », seho nahitana fa tsy mifankafoy ny roa tonta. Tahaka ny tantara narindra rahateo no nandaharana ny hira sy ny nanoloran’i Tovo J’Hay azy […]
Mois : août 2025
Jazz@Tohatohabato: « Tratra ny tanjona, hatsaraina ny ho avy »
Tao anatin’ny herinandro. Nifantoka tanteraka tamin’ny fampisehoana an-tsehatra ny fandaharam-potoanan’ny Jazz@Tohatohabato. Nifarana omaly izany. Namintina izany i Andry Mika, avy ao amin’ny Jazz Club CGM/GZ. Ilay fampisehoana an-tsehatra lehibe teo Analakely manandrify ny tohatohabaton’Antaninarenina no nanakatonana ny hetsika Jazz@ Tohatohabato andiany faha-14, omaly. Tsikaritra fa ao anatin’ireo mpijery tonga maro […]
FANTINA sy FINTINA
Mitohy ny hetsika fanamaivanana ny fidiran’ny mpianatra, tanterahan’ny antoko Malagasy miara-miainga, amin’ny alalan’ny vehivavy VMMM. Mivarotra fitaovam-pianarana amin ‘ny vidiny mirary izy ireo amin’izany ka hisitraka izany ny herinandro ity ny eny Ambohitrimanjaka, Ambohimangakely, Alasora, Vilihazo ary Ambohitseheno… Mamita iraka any Bénin ny delegasionin’ny Ceni, tarihin’ny filohany, Andrianarisedo Dama Arsene. […]
Minisitry ny Raharaham-bahiny : «Hiditra amin’ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra ny Sadc»
Amin’ity herinandro ity, hiditra amin’ny fivorian’ny filankevitry minisitra ny firenena mpikamban’ny Sadc, izay hatao amin’ny 12-14 aogositra ho avy izao, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra izany, hisy ny dinika hiarahan’ny firenena mpikamban’ny Sadc miaraka amin’i Etazonia. Handinihana ny hoavy sy […]
Tsy bodo na bado…
Mbola misy ny hoe manao ady sisika tsy hanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc eto Madagasikara? Eny, na hita izao aza fa efa ao anatin’izany tanteraka izao. Roso ka tsy mimpody koa… Tsy mendrika ny handray an’izany fihaonana an-tampony izany, hono, i Madagasikara, raha ny zava-misy sy iainana. Tsy izay […]




