Manohy ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo minisitera sy andrim-panjakana isan-karazany ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ho fanamafisana ny firaisan-kina sy ny fanatsarana ny soa iombonana. Anisan’ny taratry ny fiaraha-miasa mahomby ny tetikasa niarahana tamin’ny minisiteran’ny Fitsarana amin’ny alalan’ny fitaleavam-paritra misahana ny Fonja ao Toamasina izay nahafahana nanatanteraka fiofanana […]
Mois : août 2025
Toetr’andro : Mahatratra 4°C ny hatsiaka eto afovoan-tany
Ny tsiokan’ny varatraza malefaka no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny, mandritra ity herinandro ity. Hahazo vahana kokoa izany amin’ny fisasahan’ny herinandro. Hanorana malefaka miatoato any Sava, Ambatosoa, Analanjirofo ary Atsinanana. Hiitatra any Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana izany ny alarobia sy ny alakamisy. Handrahona mety harahina orana tandrifin-drahona […]
Fikambanana CPA : Tanora 100 niofana momba ny « comptabilité »
Ho fanampiana ny tanora hirotsaka amin’ny sehatry ny asa aorian’ny fahazoana diplaoma, manofana maimaimpoana ireo tanora manana mari-pahaizana amin’ny « comptabilité » ny Contribution et promotion vers l’avenir (CPA). Fandaharanasa hampiroboroboana ny fampananana asa no tanjona miaraka amin’ny fanofanana enim-bolana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana CPA, Ramiaramanana Rija Francis, ny faran’ny herinandro […]
Rallye vacances: 33 ireo mpanamory hiady lohany
Mahatratra 33 ireo mpanamory nisoratra anarana handray anjara amin’ny “Rallye vacances”, andiany faha-18. Fihaonana karakarain’ny klioba Gojang hatao any Mahajanga ny 14 ka hatramin’ny 16 aogositra ho avy izao. Dingana fahatelo amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny hazakazaka fiarakodia izy ity. Tazana ao anaty lisitra avokoa ireo kalaza lahy amin’ny rallye. Anisan’izany, i […]
Baolina kitra afrikanina: Fanalamanga vs Ferroviaro, Elgeco Plus vs Silver Striker
Tontosa ny sabotsy lasa teo, tatsy Afrika Atsimo, ny antsapaka nahalalana ireo hifandona amin’ny fifaninanana afrikanina, taranja baolina kitra ho an’ireo klioba tompondaka sy tompon’ny amboara. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany ny solontena roa ho an’i Madagasikara dia ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga. Raha ho an’ny fiadiana ny ho […]




