Efa akaiky ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Araka ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro teo, hoavy avokoa ireo filoham-panjakana eo anivon’ity rafitra ity. “Niantso avokoa ny filoham-panjakana, ny avy ao Afrika Atsimo nilaza fa ho avy. Ny avy any Tanzania, ny Repoblika demokratikan’i Congo, ny Praiminisistra atsy Maurice, ny […]
Mois : août 2025
TSELATRA
Nahitana karandohan’olona iray tetsy amin’ny secteur 4, ao amin’ny fokontany Nanisana, omaly tamin’ny 5 ora latsaka fahatelony hariva. Olona sendra nandalo no nahita io taolam-balo io ka nampandre ny tomponandraikitra. Niantso ny polisim-pirenena ny sefo fokontany ary tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy izy ireo. Tonga naka io karandoha io […]
Nivarotra rongony teny 67 Ha: Tanzaniana naiditra eny Tsiafahy
Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny lehilahy mpivarotra rongony mahery vaika, ny zoma 8 aogositra teo. Teratany vahiny mpanamparitaka rongony mahery vaika “Cristal methamphetamine” sady mpidoroka izany, nosamborin’ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, teny 67 Ha Avaratra, ny 6 aogositra teo. Naharay loharanom-baovao ny polisy momba ny fisiana […]
Imerintsiatosika: Telo lahy tratra nangalatra zana-kisoa
Mitohy ny fisamborana ireo mpanao ratsy. Lehilahy miisa telo, avy nangalatra kisoa voasambotry ny polisim-pirenena avy any Imerintsiatosika, afakomaly maraina. Nahatsikaritra olona nivezivezy tao Ambohijanadralambo Imerintsiatosika ny mponina. Nampiahiahy sy hafahafa ny fihetsik’ireto olona ireto, izay nilanja gony, ka nampandre ny polisim-pirenena avy hatrany ny fokonolona. Tsy niandry ela, tonga […]
Mpamily mamo : Olona roa maty voadonan’ny fiara
Misesisesy ny lozam-pifamoivoizana namoizan’aina olona tato ho ato. Olona roa samy hafa no maty voadona sy voahitsaky ny fiara ny sabotsy lasa teo. Maty voadonan’ny fiara ny ramatoa iray, ary voahitsaky ny fiarabe mpitatitra ny lehilahy iray hafa. Nahavoadoana olona mianaka teo amin’ny amin’ny lalana mankany amin’ny Zahamotel hiditra ny […]




