Mois : août 2025

TARATRY ny KANTO

Anio ny « Manala azy tanora zokiny ». Manome fotoana ireo mpanaraka azy hatramin’izay ny Olombelo Ricky sy ny tariny, etsy amin’ny Sainte Famille Mahamasina, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Ora vitsivitsy hiverenena an-kira ireo vanim-potoana nanamarika fiainana maro izany, ho an’ireo eny an-tsehatra, fa indrindra ho an’ireo mpankafy. Toy ny isan-taona, […]

Finoana – Kolontsaina – Tantara…: Manana ny lanjany ny FJKM Ambohimamory

Ambohimamory, vohitra iray tsy afa-misaraka amin’ny tantara nisy teto Imerina. Niara-dalana tamin’izany iha­ny koa ny fiorenan’ny fiangonana FJKM Ambohima­mory Malala Orimbato tany amin’ny taona 1869. Tantara roa lehibe mifanindran-dalana hatrany ka mahatonga ny taranak’ity fiangonana ity haneho fa manana ny lanjany eo amin’ny tontolon’ny finoana, kolontsaina, zavakanto, sns, io fiangonana […]

Lapa Manjakamiadana: Misy fampirantiana vaovao

Mitombo ireo azo tsidihina ao anatin’ny Lapa Manjakamiadana. Nampahafantatra ny sampandraharaha misahana an’Anatirova fa azo tsidihina ao amin’ny rihana faharoa. Ahitana ny medaly sy ny samboady, ny mariky ny fahefana sy ny fiandrianam-panjakana, ny medaly nandritra ny vanim-potoa ka faha-mpanjaka nifanesy, ny tombokase ampiasaina amin’ny lafiny fitantanana sy fifandraisana ara-diplomatika, […]

Rajery sy Raul Rodriguez : Mampivady ny mozika miaina sy ny Flamenco

Fisokafana hafa indray ity, izay manaporofo fa kanto iraisan’ny zanakolombelona ny mozika. Ny mozika malagasy entin-dRajery, laroina amin’ny mozika flamenco voizin’i Raul Rodriguez, izay manome lokona mozika iray vaovao. Rajery sy ny valiha andaniny, Raul Rodriguez sy ny gitara, ankilany. Izay rehetra nahita sy nandre ny sombin’ny fampiarahana ta­len­tan’izy ireo […]

FANTINA sy FINTINA

Nampita hafatra fiantsoana fitoniana ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin. Niantso ny hampitsaharana ny fifandranitana politika ny tenany amin’izao handraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc izao. Nanentana ny rehetra hahay handala ny soatoavina sy ny fihavanana koa ity filohan’Andrimpanjakana ity. Vahiny manokana hanatrika ny fivorian’ny Sadc ny filohan’ny Banky arabo ho […]