Mois : août 2025

Soanierana-Isaka Ivondro : Tsy maintsy harenina hamoahana vokatra ny lalan-dratsy

Sompitry ny distrikan’i Faradofay ny vallée an’Ambolo sy Ifaho. Amboarina ny lalana amin’ireo toerana ireo hahafahana mamoaka ny vokatra. Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny asa fanarenana ireo lalana tena simba mampifandray ny kaominina Soanierana sy Isaka Ivondro, any amin’ny faritra Anôsy. Ireo lalana tena ahitana faharatsiana sy mampijaly amin’ny fivezivezen’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hifarana rahampitso alakamisy ny fisoratana anarana ho an’ny “Rallye vacances”. Dingana fahatelo, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny familiana fiarakodia. Fifaninanana hatao any Mahajanga, ny 13 ka hatramin’ny 15 aogositra ho avy izao. Mikarakara izany ny klioba Gojang. Tsy tafita hiatrika ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana Basikety, amin’ny CJSOI, ny nosy […]

« ASIEF 2025 » : Milamina tsara ny fandraisan’i Mahajanga ny fifaninanana

Miditra amin’ny famaranana ny fifanintsanana avokoa, amin’izao fotoana izao, ireo taranja hifaninanana amin’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), tanterahina ao Mahajanga. Nam­baran’ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga, Tia Solofomanga Heriniaina, fa milamina tsara hatreto ny fandraisana ity lalao nasionaly ho an’ny mpiasam-panjakana ity. Ampy tsara, hoy izy, ny fotodrafitrasa […]

CJSOI-Seychelles : Mitotaly 37 ny medaly azon’i Madagasikara

Mitobaka toy ny rano ny isan’ny medaly azon’i Madagasikara, atsy Seychelles, amin’ity Lalaon’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI) ity. Taorian’ny andro fahadimy, izay natao omaly, efa mahatratra 37 medaly, volamena 12, volafotsy 14, alimo 11 ny azon’ ny Malagasy atleta. Raha hiverenana kely ny andro omaly, nandrombaka medaly 10 […]

Fifanintsanana U17- Cosafa : Tafalatsaka anaty vondrona maozatra ny Barea zandriny

Tsy mitsahatra mandray anjara amin’ny fifaninanana afrikanina ny Barea sokajy zandriny. Ny volana septambra ho avy izao, hiady ny tapakila hiatrehana ny Can U17, anatin’ny fifanintsanana “Cosafa” ny Barea. Hotontosaina any Ha­rare Zimbabwe, ny 11 hatramin’ny 20 septambra ho avy izao, ny “Co­safa U-17 Youth Cham­pionship”. Ani­san’ireo handray anjara amin’izany […]