Manomana ny fidirana, ny 8 septambra, ny sekoly miahy tena. Miasa, araka izany, ireo mpandraharaha mandray ny fisoratana anarana, raha manomana ny fitsinjarana ny fandaharam-potoana ho an’ny kilasy tsirairay avy kosa ny mpanabe, amin’ity herinandro ity. Fiverenana fandraisana ny asa omaly ho an’ny mpanabe sy ny mpandraharahan’ny sehatry ny fanabeazana […]
Mois : août 2025
VAOVAO TAMBATRA
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Ambohibe, kaominina Antongo Vaovao, distrikan’i Morombe, ny fihaonana teo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny sehatra tsy miankina ary ny tetikasa Tefiala. Noresahina, nandritra izany, ny olana sedrain’ny mpanjono madinika. Nojerena koa ireo vahaolana azo atao miaraka hampitomboana ny fari-piainan’izy ireo sy […]
Fampidiran-jiro: Rava ny tambajotra mpisandoka ho mpiasan’ny Jirama
Mahasahy! Angom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo no nahafantarana fa misy olona maromaro nahavita namory ny fokonolona tany Miarinarivo Antseva, distrika Antsirabe. Nitonona ho mahavita mampiditra jiron’ny Jirama ao anatin’ny iray volana izy ireo, ka nitaky vola mitentina 300 000 Ar tamin’ireo tokantrano manodidina ny 50. Taorian’ny vaovao azon’ny Jirama, napetraka […]
Sehatry ny jono: 2,225 tapitrisa dolara ny tohan’ny FAO
Manohana an’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny jono sy ny fihariana anaty rano ny Fikambanana maneran-tany momba ny sakafo (FAO). Miisa fito ny tetikasa tohanany, izay mahatratra 2,225 tapitrisa dolara, nanomboka ny taona 2021, mifantoka amin’ny jono sy ny fihariana anaty rano. Anisan’ny nitsidika ny toeram-pamokarana trondro, Royal Tilapia, eny Ambatolampy […]
Katsaka : Niakatra ho 2 000 Ar ny iray kilao
Niakatra ho 2 000 Ar ny kilao amin’ny katsaka noho ny fiovaovan’ny vidin-tsolika sy ny haratsian’ny lalana. Mahatratra 100 000 Ar kosa ny iray gony, raha 50 000 Ar izany teo aloha. Nampakatra ny vidin’ ny katsaka amin’ny kilao ho 2 000 Ar ireo tsenakely ao Ambatolampy Tsimahafotsy, tamin’ity volana […]




