“Tsy misy ny fahafahana na ny demokrasia. Na ny mpanao gazety aza, tampenam-bava amin’ny vaovao avoakany. Lasa henatra ho an’ny firenena amin’izao: na ny mpanao gazety avy any ivelany na ny eto an-toerana, ampitahorina sy rahonana amin’ny asany”. Izay ny fanehoan-kevitry ny depiote avy amin’ny fanoherana, ny depiote voafidy tamin’ny […]
Mois : août 2025
Fongory izay fahavalon’ny tany
Raha ny antontanisa farany navoakan’ireo sampandraharaha miandraikitra ny ady amin’ny kolikoly dia mihemotra i Madagasikara. Mirongatra amin’ny sehatra maro izany rangory fototry ny afo amin’ny fahalovan’ny fiarahamonina izany. Manao izay danin’ny kibony ireo manampahefana isan-tsokajiny. Manararaotra toy ny banga mihomehy alina ny trondro vaventy. Tsy maty manota. Mandroba dia lasa […]
Fankatoavan’ny HCC: Noferana ireo afaka mifidy ny loholona
Tsy ho tahaka ny teo aloha intsony. Nankatoavin’ny HCC, ny herinandro teo, ny fanitsiana nentin’ireo parlemantera momba ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny fanendrena ireo loholona. Nambaran’ny etsy Ambohidahy, araka ny fanapahana noraisin’ireo mpitsara avo, fa mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana izany. Misongadina ao anatiny fa tsy ho anisan’ireo mpifidy lehibe […]
TSELATRA
Olona dimy voasambotry ny polisy noho ny harom-paosy teto Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo. Tratra nisinto-mahery teo amin’ny fiantsonana Vatobe 67Ha, afakomaly, ny roa tamin’izy ireo. Nangarom-paosy teny Ambodin’ Isotry, ny sabotsy teo, kosa ny iray hafa. Voasambotra teny Ambohimanarina, ny alin’ny 22 aogositra 2025 teo ny iray ambiny. Olona […]
Ankadivory Ilafy : Jiolahy miisa efatra nandroba
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tetsy Ankadivory Ilafy, afakomaly alina tamin’ny 12 ora tany ho any. Niditra sy nandroba tao amin’ny tokantrano iray voalohany, eny an-toerana, ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana sy nisaron-tava miisa efatra. Nosokirin’izy ireo ny varavarana, nandratra olona tao an-trano izy ireo vantany vao tafiditra. Naratra mafy teo amin’ny tanana […]




