Mois : août 2025

Fitrandrahana nikela: Manodidina ny 14 900 dolara ny taonina

Miovaova hatrany ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tena ilaina anefa ity akora ity, ankehitriny, hanamboarana baterian’ny fiara elektrika. Harena an-kibon’ny tany, sokajiana ho anisan’ny akoratany tsy fahita firy (terre rare) ny nikela. Firenena dimy no tena manana azy io, miantoka ny 70% maneran-tany, dia i Aostralia, Frantsa (Nouvelle […]

TARATRY ny KANTO

Sabotsy 6 septambra, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Hiaka-tsehatra miaraka i Erick Manana sy i Joël Rabesolo. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan-kira hoentin’izy ireo eny an-tsehatra ny sanganasan’i Erick Manana, ny an-dRazilinah ary ny tarika Feo Gasy. Nasaina manokana i Kôlibera sy Benny ary i Nini. Fampisehoana anisan’ny andrasan’ny mpankafy gadona « gasigasy ». […]

Voafehin-javatra maro: Tsy mivelatra araka ny tokony ho izy ny zavakanto

Amin’ny fotoam-pahavaratra, tsy misy ny fampisehoana rindran-kira eny amina sehatra ankalamanjana. Mirotsaka ny orana. Tsy misy ny adin-kiragasy fa lasa mirotsaka eny an-tsaha ny mpanao hiragasy. Tsy ampy na lafo be ny vidin’ny fitaovana. Mipitrapitra fotsiny ny mpanao sary hosodoko. Tsy misy ny sehatra na kianja hilalaovan’ny ankizy. Tsy ho […]

Fanabeazana sy fampianarana: Mila omen-danja ny maha izy ny Malagasy

Beazina eo anivon’ny tokantrano. Ampianarina any an-tsekoly. Samy manalasala avokoa ny vokatra azo avy amin’izany. Misy zava-tsy mety sy tsy mirindra ao… Ireo ray aman-dreny manabe, Malagasy. Ireo mpampianatra mampianatra, mbola Malagasy ihany koa. Fa maninona ireto vokatra no hafahafa be? Zaza sy tanora malagasy, tsy mahalala na tamingana ohabolana […]

FANTINA sy FINTINA

Hanainga eto Antananarivo, anio, hoentina any Toamasina, ny nofo mangatsiakan-dRatsiraka Céline. Halevina any an-toerana, ny zoma izao, fa tsy ho etsy amin’ny Fasan’ny maherifo, ilevenan’ny amiraly Ratsiraka, araka ny fandaminan’ny fianakaviana. Hi­ga­dona, anio, eto an-tanindrazana, koa ny zanany lahitokana, Ratsiraka Xavier. Anisan’ny tonga nankahery ny fianakavian-dRatsiraka Céline ny avy amin’ny […]