Mois : août 2025

Fanabeazana : Omen-danja ny zavakanto

Hiditra any an-tsekoly tsy ho ela ny zaza sy ny tanora mala­gasy. Amin’ny ankapobeny, mavesatra ho an’ny ray aman-dreny io vanim-potoana io, noho ny hamaroan’ny fandaniana. Faniriana sy fahatsapana hanome fanabeazana feno ho an’ny taranaka anefa efa mahazo faka ao anaty, noho ny fitiavan-janaka. Iray amin’ireo fomba hoenti-manarina ny lesoka […]

«Festival Miz’art» : Hifangaro ny kanto sy ny asa sosialy

Mikarakara hetsika « Festival multi-culturelle Miz’art » ny fikambanana Tokotanibe malagasy. Hotanterahina eny amin’ny La teinturerie, Ampasanimalo, ny sabotsy 30 aogositra izao izany. Nambaran’ny filoha mpanorina ny fikambanana Tokotanibe malagasy, Rabezato Avotra Nomenjana­hary, fa anisan’ny hiaka-tsehatra amin’izany hetsika izany ireo mpanakanto misehatra amin’ny gadona samihafa toy ny mpanao vakodrazana, ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nodimandry, omaly, Ratsiraka Celine rehefa notsaboina tetsy amin’ny Cehonsoa. 87 taona izy izao lasa izao. Nahafantarana azy ny asa sosialy. Anisan’ny mpanorina ny akanin-jaza ary nitarika ny vehivavy Arema. Niteraka efatra mianadahy izy sy ny amiraly Ratsiraka : Ratsiraka Xavier, Ratsiraka Olga, Ratsiraka Annick ary Ratsiraka Sophie. Naneho fiaraha-miory nampahery […]

Fitantanana ny administratera sivily: Resy tamin’ny fifidianana Raholinarivo Paolo

Voafidy ho filoha vaovao hitantana ny Sendikan’ny mpitantandraharaham-panja­kana « Administrateurs Civils-Synad » Rakotondramanana Solofotahina Lalaina. Préfet an’i Maintirano ny tenany izao voafidy izao ary hitantana ny sendikà mandritra ny efa-taona, fe-potoam-piasan’ny birao. Nitarika ny lisitra “Soli­da­rité loyauté force” na Solofo izy tamin’izao fifidianana izao. Miisa 10 mianadahy ireo mpikambana eo […]

Fiainam-bahoaka

  Tsy tohinina ho azy ny ankamaroan’ny olona amin’ izao fotoana izao? Misy tena kizitina, mora tezitra, tsy ifandaharana… Tsy vitan’izany, zava-tsy inona rehetra izao: mety hampifamaly sy hampiady. Tsy inona koa dia mety haharatra ny tena; eny, mety hamoizana aina aza noho ny afitsoky ny mpanendaka sy ny mpanao […]