Mois : août 2025

Fanabeazana hiara-miaina eny an-tsekoly (EVH) : Nodinihina ny tahirin-kevitra fototra nasionaly

Notanterahina tao amin’ny efitranon’ny Dren Matsiatra Ambony, tamin’ity herinandro ity, nandritra ny roa andro, ny fivoriambe nasionalin’ny fanabeazana ho amin’ny fiaraha-miaina mirindra eny anivon’ny sekoly (EVH). Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fana­beazam-­pirenena sy ny UNF­PA izy ity. Nisy fifanakalozan-kevitra mahakasika ny lohahevitra fototra manodidina ny EVH, toy ny herisetra mahazo ny ankizy, ny […]

Teleferika: Hatsangana ny orinasa hitantana azy

Nolanin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny fandraisana anjaran’ny fanjakana malagasy amin’ny renivolan’ny orinasa izay hatsangana hitantana ny teleferika. Orinasa mpitantana sy mpitrandraka ny fitaterana an-tariby no hiantsoana izany orinasa vaovao izany. “Anisan’ny fotodrafitrasa ireharehan’i Madagasikara ny teleferika”, hoy ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Tsiahivina fa nisy ny fandaminana amin’ny […]

SAYOF andiany faha-7 : Nahatonga solontena avokoa ny firenena 16 anatin’ny Sadc

Nanao tatitra mahakasika ny «Sayof» andiany faha-7 teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny solontenan’ny mpandray anjara, niarahana tamin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, omaly. Tanora malagasy 100 no nandray anjara tamin’ny fihaonana an-tampon’ny tanora eto amin’ny tapany atsimon’i Afrika na ny «Sayof» andiany fahafito notanterahina teto Antananarivo, ny 15 hatramin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Handray anjara mavitrika ao anatin’ilay fifaninanana iraisam-pirenena « Intervision » hotanterahina any Rosia ny 20 septambra izao ny solontena telo avy eto Madagasikara. Mamy Gotso, tontolon’ny fitsarana sy ny fampiaraham-peon’i Denise sy i D-Lin amin’ilay hira mitondra ny lohateny « Tiako hanjeky ». Marihina fa mpanakanto anisan’ny efa niatrika fifaninana iraisam-pirenena lehibe tahaka izao […]

« Festival Voasary » II : Hivelatra amin’ny Fanatanjahantena

Hisy ny fifaninanana lalao baolina kitra, hazakazaka efatra kilometatra, lalao fanatanjahantena nentim-paharazana moraingy… Anisan’ny hampiavaka ny « Festival Voa­sary », andiany faharoa, ho­tan­­terahina ny volana septambra ho avy izao io endrika fivelarana lehibe io. Hetsika hotontosaina any amin’ny Kaominina Antsa­trami­dola Andoharano, miala 35 km amin’i Mandritsara. « Tanjona ao anatin’ny fanatanterahana ny « Festival […]