Mihamafy ny delestazy eto an-dRenivohitra, nanomboka tamin’ny herinandro ambony no ho mankaty. Mitaraina ny mpanjifa, satria lazain’ny Jirama fa noho ny tsy fahampian’ny rano any amin’ny tohodranon’Andekaleka no anisan’ny antony. Raha ny toetr’andro anefa, orambe foana tany amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy efa nandritra ny tapa-bolana farany teo izao, ary tokony […]
Mois : août 2025
Ladoany: Nampahafantarina ny mpianatry ny Oniversite ny IA
Nikarakara famelabelarana ho an’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony, Ankatso, ny sampandraharahan’ny Haban-tseranana malagasy. Niompana tamin’ny hoe « ny lanjan’ny antontam-baovao niomerika sy ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) : ny antoka entiny sy ny ho avy ». Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana lalina ny fitantanana ny raharaham-panjakana, amin’ny alalan’ny fivoarana ara-teknolojia izany. Azo tsorina fa […]
Toamasina: Hanodina fako 60 t isan’andro ny Agrotech
Voasafidy, araka ny antso tolobidy natao, hitantana ny Ivontoerana fanavahana sy fanodinana ny fako ao an-tampon-tanànan’i Toamasina, ny orinasa Agrotech. Natao sonia ny 20 aogositra teo ny fifanarahana teo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) sy orinasa. Mahatratra 60 taonina isan’andro ny fako hahodina ho lasa vokatra […]
Vary safiotra : Mampidi-bola 5 tapitrisa Ar ny tany 1 hekitara
Nizarana masomboly vary safiotra sy zezika ny tantsaha eny Sabotsy Namehana, omaly. Ahazoana vokatra 12 taonina isaky ny hekitara ny velarantany 1 hekitara. Misitraka ny vina sy ny fanamby napetraky ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny tantsaha ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Natolotry ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa), […]
INDRAY MIJERY
Ao anatin’ny hetsika « Fijery hafa », mitohy ny fampiofanana maimaimpoana ireo tanora ao amin’ny faritra Analanjirofo. Tao Fenoarivo Atsinanana no nanatanterahina izany. Nahitana zaitra, fiompiana akoho gasy nohatsaraina, ary nahandro sy fanaovana mofomamy. Natao hampivelatra ny fahaiza-manao sy hanome traikefa azo hampiharina avy hatrany ny fiofanana. Hahafahan’ny tanora miroso amin’ny asa […]




