Mois : août 2025

Volley Ball-“CAN U16” Y: Nanainga omaly ny delegasionina malagasy

Feno ny fepetra, nanainga omaly alina, nihazo an’i Tonizia, ny delegasionina malagasy hiatrika ny Can (Championnat d’Afrique des nations), ho an’ny sokajy vehivavy latsaky ny 16 taona, taranja volley-ball. Hotontosaina ny 22 ha­tramin’ny 31 aogositra izao, any Tonizia, ny Can (Championnat d’Afrique des nations), sokajy U16, ta­ranja volley-ball. Noraisin’ny fitondram-panjakana […]

Prezidansa : Hiala sasatra ny mpikam­ban’ny governemanta

Namoaka fanambarana fampahafantarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly, fa hisy vanim-potoana hialana sasatra eo anivon’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta. Anisan’ny tapaka tamin’ny filankevitry ny mi­nisitra, afakomaly, teny Iavoloha, izany. Nanomboka ny 21 aogositra teo izany fialantsasatra izany ka hifarana ny 1 septambra ho avy izao. Na izany […]

KMF/Cnoe : “Tokony havoakan’ny Ceni ny datim-pifidianana loholona”

“Amin’ny volana janoary no fiafaran’ny fe-potoam-piasan’ny loholona. Ny dikan’izay, tokony hatao ny kajikajy amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Mba ho voahaja ny lalàmpanorenana momba izay”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, teny Ankerana, omaly, ny amin’ny fifidianana loholona. Tena misy ny lisi-pifidianana sy ny fanaikana […]

Tao anatin’ny roa volana : Nahatratra 99 ireo namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana

150 mahery ny fitam­baran’ny trangana lozam-pifamoivoizana niseho teto Anta­nanarivo, tato ana­tin’ny roa volana. Na­moizan’aina tsy latsaky ny 100 iza­ny. Ny tsy fitandreman’ ny mpamily sy fandehanana mafy avokoa ny antony nahatonga izany. Mitombo ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana rehefa vanim-poto­anan’ny fialantsasatra tahaka izao. Maro ny fivezivezin’ny mpandeha amin’ny lalam-pirenena. Nahatratra 154 ireo […]