Mois : septembre 2025

Basketball 3×3: Mpilalao mendrika indrindra i Livio

Na dia tsy nandrombaka ny fandresena teo amin’ny famaranana aza ny ekipa malagasy, nandritra ny fifaninanana “International Basketball 3×3”, tsy mitsanga-menatra, satria voafidy ho mpilalao mendrika ny Malagasy mpilalao, Ratianarivo Livio. Ity mpilalao ity izay laharana voalohany amin’ny basikety eto Madagasikara. Tsiahivina fa tontosa tany Russie, ny faran’ny herinandro teo, […]

Filoha Rajoelina Andry: « Ny ezaky ny tena no mahatafita »

Nohamafisin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, fa antoky ny fahombiazan’ny tsirairay ny ezaka ataony. Porofon’izany ny Barean’i Madagasikara, izay nomena mari-boninahitra sy volabe, teny Iavoloha. Noraisin’ny filoham-pirenena malagasy, Ra­joelina Andry, tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ireo delegasionina Barean’i Madagasi­kara, niatrika ny « Chan 2024 », izay avy nandrombaka medaly volafotsy. Noto­loran’ny filoham-pirenena […]

INDRAY MIJERY

Nisy ny atrikasa notanterahin’ny Direction d’apprentissage et de la formation qualifiante sy ny Direction d’ingénierie de formation et pédagogie, izay sampandraharaha eo anivon’ny minisiteran’ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, tamin’iny herinandro iny. Nifantoka tamin’ny fanavaozana ny taranja Fampianarana momba ny fandraharahana izany, ho fampifanarahana ny votoaty sy ny fomba […]

Fanomanana ny fidiran’ny mpianatra : Andaniana hatramin’ny 600 000 Ar ny ankizy roa

Amin’ity herinandro ity ny fanomanana farany ny fidiran’ ny mpianatra, satria hiatrika ny taom-pianarana vaovao indray izy ireo, amin’ny ambaratonga roa, ny 8 septambra izao, araka ny tetiandron’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Efa voaloa avokoa ny “Frais generaux” sy ny saram-pianarana volana septambra fa mbola mameno ny fitaovana sy ny boky ary […]

Toetry ny andro : 3°C-37°C ny maripana mandritra ity herinandro ity

Manodidina ny 3 hatramin’ny 23 °C ny maripana ny maraina, ary eo anelanelan’ny 20 sy 37 °C kosa ny tolakandro ho an’ity herinandro ity. Ny tsiokan’ny alizay tsy marin-toerana no mandrafitra ny mety ho toetry ny andro hatramin’ny rahampitso. Hihamalefaka izany manomboka ny alakamisy, noho ny fandalovan’ny rindrin-drahona ao atsimon’ny […]