Mbola mananosarotra ny olona ny manatona hopitaly noho ny toerana midadasika sy ny tsy fahafantarana zavatra maro. Mitondra fanazavana mahakasika ny asan’ny Sampandraharaha misahana ny fidirana sy ny fivoahan’ny marary ao amin’ny hopitaly ny lehibeny, Lalaharimanana Rachelle. Miandraikitra ny fitanana an-tsoratra rehetra momba ny fidiran’ny olona hopitaly sy ny fanomezana […]
Mois : septembre 2025
VAOVAO TAMBATRA
Noho ny fiovaovan’ny toetr’andro ankehitriny, mitady ny fomba rehetra hanalefahana ny mety ho voka-dratsy aterak’izany ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Araka izany, notontosaina tao Nosy Be Hell Ville, ny faran’ny herinandro teo, ny atrikasa nanangonana ny paikady hiatrehana izany. Nifarana ny alahady 31 aogositra teo, tao Betsizaraina, […]
fiompiana lalitra: Olona miisa 14 nisitraka fampiofanana
Tontosa tao amin’ny Lycée teknika an’ny distrikan’i Taolagnaro, faritra Anôsy, ny 30 aogositra 2025 lasa teo, ny fiofanana momba ny fiompiana lalitra Hendry na ny « Black Soldier Fly (BSF) ». Mpandray anjara miisa 14 no nisitraka izany tao an-toerana, araka ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena […]
Tetezana ao Toamasina: Vitaina alohan’ny faran’ny taona
Tonga nitsidika sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny tetezana mirefy 200 metatra mahery sy ny lalana mirefy 5 km, ao Toamasina, ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, ny faran’ny herinandro teo. Nilaza ny minisitra fa hoezahina vitaina tanteraka alohan’ny faran’ny taona ny asa rehetra amin’ity fotodrafitrasa iray […]
Lalana RN12A: Hatsangana ny tetezana vaovao mirefy 400 metatra
Mandeha ny fanarenana ny lalam-pirenena 12A, mampitohy an’i Vangaindrano sy i Taolagnaro. Anisan’ny asa goavana atao ny fananganana tetezana mirefy 400 metatra any Masianaka. Mandroso araka ny tokony ho izy ny asa fanamboarana, hatao godirao, ny lalam-pirenena RN12A. Tafiditra amin’izao fotoana izao ny fanarenana ny ampahan-dalana mirefy 32 km. Manomboka eo […]




