Mois : septembre 2025

Nitsoaka alika masiaka : Tapaka ny tongotr’ilay ankizy lasibatra

Ankizilahy sahabo ho 15 taona tapa-tongotra havanana rehefa nenjehin’ny alika, tao amin’ny fokontany Ambohide­hilahy, kaominina Ambohi­man­gakely, omaly maraina. “Nandalo toy ny rehetra io ankizilahy io”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao. Nentin’ny tahotra, nandositra ilay ankizy rehefa nahita alika. Nanenjika avy hatrany rahateo io biby io. “Nihanika toerana somary avo ilay ankizy […]

Moramanga: Telo lahy nahatrarana taolam-paty 52 kg

Notanana vonjimaika am-ponja, omaly, ireo telo lahy nahatrarana taolam-paty tao Maroventy, fokontany Tanamandroso, kaominina Moramanga. Naharay angom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa misy olona ahina ho mitazona taolam-paty ao amin’io fokontany voalaza io. Nidina ifotony ny mpitandro filaminana ny alatsinainy 22 septambra tamin’ny 4 ora tolakandro. Nosavaina […]

FIDINANA AN-DALAMBE : “Tsy ara-dalàna”, hoy ny Emmo/Nat

Nilaza ny tomponandraikitry ny EmmoNat fa tsy ara-dalàna ny hetsi-bahoaka hotanterahina anio. Manamafy ny fidinana an-dalambe kosa ny mpitarika. Mila fitoniana! Nanao fanambarana te­tsy Anosy ny avy amin’ ny EMMONAT, izay ahitana ny zandarimariam-pirenena, ny polisim-pirenena ary ny Tafika Malagasy, omaly. Manoloana ireo fihantsiana samihafa sy fikasanana hanao fanakorontanana ho […]