Mois : septembre 2025

VAOVAO TAMBATRA

Tontosa tao Toamasina, ny 22 septambra, ny fivoriana andiany faha-8 ho fifampiresahana eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (DPP). Nibahana nandritra ny fihaonana sy ny dinika natao ny momba ireo fomba fiasa eo anivon’ny seranan-tsambo manaraka ny fenitra. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka mahakasika ny fanafarana sy fanondranana […]

Foara Regan – distrika 13: Hisongadina ny vokatra avy eto Analamanga

Hatao ny 25 hatramin’ny 27 septambra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny hesika lehibe, « Foaran’Analamanga » (Regan). Lohahevitra noraisina ny hoe, « Analamanga, faritra lovainjafy ». Mikarakara azy ny faritra Analamanga, izay mpanohana mivantana toy ny mahazatra ny orinasa Yas. Hasongadina amin’ity andiany fahatelo ity ny hampahafantaran’ireo distrika 13 ao […]

Mahaiza misafidy

  Migadona ny andro izay voalaza fa hisian’ny fitakiana goavam-be iarahan’ny olona milaza fa leo delestazy sy fahatapahan-drano. Inona tokoa re no hiseho? Raha ny tambajotran-tserasera izany aloha dia hoe toa ” baomba be” ilay izy. Tena mientanentana ery izato tanora sy ny mpilaravinahitra mandrehitra afo. Mampanahy ny zava-misy ka […]

Fifandraisan-davitra : Ampiasain’ny Airtel anaty finday ny teknolojia VoLTE

Hiaka vaovao amin’ny firesahana amin’ny finday ny VoLTE atolotry ny Airtel. Mifanandrify amin’ny vinan’ny fanjakana amin’ny fiovana mankany amin’ny fampiasana ny niomerika izany. Nampahafantarina omaly, tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny mpanjifan’ny Airtel ny fampiasana ny VoLTE (Voice over LTE). Fotoana niarahana tamin’ny minisiteran’ny Fampandro­soa­na ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT), […]

TSELATRA

Niakatra fampanoavana omaly ny ray aman-drenin’ilay zazamenavava nisy nanary teny amin’ny fokontany Antsakajohy, kaominina ambanivohitra Bemanevika, Sambava, ny 14 septambra lasa teo. Tsiahivina fa olona handeha maraina no naheno feon-jaza mitomany ka nijery izany. Zaza vao teraka sy mbola niaraka tamin’ny tadim-poitra io nisy nanary io. Natao ny fikarohana ireo […]