Mois : septembre 2025

Distrikan’Ambanja : Mpanjono miisa 49 nahazo fiofanana

Nikarakara fampiofanana marolafy ho an’ny mpanjono madinika, tany amin’ny kaominina Ambanivohitra Maheri­varatra, distrikan’Ambanja, faritra Diana, ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), nanomboka ny 17 septambra lasa teo. Araka ny fanazavana nataon’ny eo anivon’ny minisitera, naharitra efatra andro teo izany. Mpanjono madinika miisa 49 ao Andilamboay no nandray anjara […]

Tetikasa Aro fano : Harovana ny soka-dranomasina sy ny ahi-dranomasina

Hitantana sy hiaro ny soka-dranomasina sy ny ahi-dranomasina ny tetikasa Aro Fano. Ho hamafisina ny lalàna mahakasika azy. Anisan’ny firenena manana harena voajanahary sy karazan-javamananaina tsy fahita firy maneran-tany i Madagasikara. Manana karazana soka-dranomasina miisa 5 amin’ny 8 misy maneran-tany ity nosy ity. Mihena ny isan’izy ireo, noho ny fihazana […]

Nosy-Be : Polisy 30 nisitraka fiofanana

Hisorohana ny tranga fizahantany mamoafady sy ny ady amin’ny fanararaotana ara-nofo mahazo ny zaza tsy ampy taona, polisim-pirenena miisa 30 nisitrika fiofanana tao Nosy-Be, ny 18 septambra teo. Nivondrona tao amin’ny tranobe ARO ao an-toerana ireo mpitandro filaminana sy ny mpampiofana azy ireo. Tomponandraikitra misahana ny hetsika ny fitaleavana misahana […]

Mpanohitra fitondrana ; Manararaotra ny fahasahiranam-bahoaka

« Araraotina avokoa! » Hita taratra ankehitriny fa tsy manana politika entina miady hanoherana ny fitondram-panjakana intsony ny mpanohitra ka ny zava-misy sy ny olana mitranga eto amin’ny firenena sisa ataon’izy ireo ampinga hanakorontanana ny sain’ny vahoaka. Etsy ankilany, ny fitondram-panjakana tsy mitsahatra ny mitady vahaolana amin’ny famahana ny olan’ny jiro sy […]

FJKM Ambavahaditokana: Horaisin-tanana ny Mpitandrina mianakavy

Hotanterahina ny alarobia 24 septambra izao, ny fifandraisan-tanana eo amin’ny Mpitandrina Andrianarivo Solondraibe mianakavy sy ny fiangonana FJKM Ambavahaditokana Fanilon’i Kristy. « … Satria irak’i Jehovah, tompon’ny maro, izy », Malakia 2: 7. Io ny teny faneva nosafidiana ho amin’izany fotoan-dehibe izany. Ny Synodam-paritany Antananarivo Andrefana (SPAA10) no mitarika ny fotoana rehetra […]