Mois : septembre 2025

Barea sy Comores : Hatao any Côte d’Ivoire ny lalao

Nisafidy ny Kianja Stade Felix Houphouet-Boigny, ao Côte d’Ivoire, ry zareo kaomorianina, amin’ny fihaonana amin’ny Barean’i Madagasikara. Lalao miverina tafiditra amin’ny andro faha-9 hifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, taranja baolina kitra izy io. Ny alarobia 8 oktobra, manomboka amin’ny 7 ora hariva, ora eto Madagasikara, ny lalaon’ny roa tonta. […]

Baolina kitra afrikanina :Hiakatra kianja rahampitso ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga

Hotanterahina rahampitso ny lalao mandroson’ny fifanintsanana afrikanina ho an’ireo solontenan’i Madagasikara, Elgeco Plus sy AS Fanalamanga. «Raikitra ary!» Hia­katra kianja ra­hampitso avokoa ireo solontenan’i Madagasika­ra, ny Elgeco plus Analaman­ga sy ny AS Fanalamanga Alaotra Mangoro, amin’ny la­lao mandroso, savaranonando, fifanintsanana afrikanina. Raha eo amin’ny « Ligue des Champions Caf », hifanandrina amin’ny […]

Tafaverina ny omby 17 : Dahalo iray lavon’ny balan’ny zandary tany Ankazobe

Nifandona ny dahalo, andaniny, sy ny zandary sy fokonolona, ankilany, tany Lohotsy, fo­kontany Antsandravolaina, kaominina Fiadanana, ny alin’ny 14 hifoha ny 15 septambra lasa teo. Lasan’ireo olon-dratsy enina mirongo basy tamin’izany ny omby miisa 17 tao amin’ny valan’omby iray. Natao ny fanarahan-dia ary tratra tsy lavitra ny tanàna ny iray […]

VAOVAO TAMBATRA

Mandroso ny asa fanarenana ny RN2. Nidina ifotony nijery ny fizotry ny fanatanterahana ny asa ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, omaly, taorian’ny fivoriana niaraka tamin’ireo orinasa miisa 4 manao izany. Hita fa vonona ny hitaterana manokana ireo milina herinaratra ho eny Ambohi­manambola ity lalam-pirenena ity. Miditra amin’ny […]

Fampivoarana ny Toekarena eny ifotony: Nananganana BSFI ireo kaominina miisa telo

Notontosaina ny 17 septambra lasa teo ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Birao solontenan’ny fananantany iraisana (BSFI), izay mampiray ny kaominina Am­bohidrabiby, Ambohi­man­ga Rova ary Talata Volonondry. Tetikasa tafiditra anatin’ny fandaharanasan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), izay tarihin’ny minisitra Andriantsitohaina Naina. Ankoatra ny fanokafana ny birao, nisy […]