Taorian’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso ny 19 aogositra teo, tao amin’ny Sampam-pitsarana ambaratonga voalohany Ste Marie, ny faha-9 septambra teo vao nivoaka ny didy momban’ireo teratany Sinoa roa lahy sy Malagasy dimy. Nosamborina noho ny fanimbana fotodrafitrasa izay vao notokanan’ny Filohan’ny Repoblika ny tapaky ny volana jolay lasa teo, izy ireo. Vokany, […]
Mois : septembre 2025
INDRAY MIJERY
Manoloana ny voina niseho tany Mananjary, misy ireo malala-tanana tonga nanolotra fanampiana eny amin’ ny BNGRC izay mitantana ny fitsinjarana ireo fanampiana araka ny tokony ho izy. Nisy ny fikambanana tanora nanolo-tanana nanome lelavola. Ao koa ny olon-tsotra manolotra vary 5 gony… Notanterahina tao amin’ny BAEC Ankadivato ny atrikasa fanavaozana […]
Mpianatry ny CEG Ambatomirahavavy – WMG: Nisitraka serviette hygiénique azo sasana
Nizara serviette hygiénique azo sasana teny anivon’ ny CEG Ambatomirahavavy ny fikambanana Wednesday Morning Group (WMG), omaly maraina. Nisitraka izany ireo mpianatra, ankizivavy manodidina ny 250 isa, eny an-toerana. Matetika mijanona tsy mianatra ny ankizivavy rehefa mandeha fadimbolana, raha ny zavatra tsapa. “Ny fahatsapana izany no antony nahatonga ny famoronana […]
Fanadinana CEPE : Nankasitrahana ireo mpianatra mendrika
Toy ny fanaony isan-taona, nankasitraka ireo mpianatra mendrika indrindra tamin’ny fanadinana CEPE teto amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra ny Kaominina Antananarivo (CUA) sy ny Yas Madagasikara. Notanterahina ny alarobia lasa teo izany, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Nisitraka izany ireo ankizy 100 mianadahy avy amin’ny EPP ao anatin’ny boriborintany enina eto […]
Fiahiana ny sahirana eny Andralanitra: 55 taona niasana teto Madagasikara ny Mompera Pedro
Porofo mivaingana amin’ny asa soa ataon’ny Mompera Pedro Opeka ny fisian’ny Akamasoa miahy ny sahirana. Mankalaza ny 55 taona nahatongavany teto Madagasikara ity pretra ity. Nanetriketrika ny fanamarihana ny faha-55 taona nahatongavan’ny Mompera Pedro nanao asa soa teto Madagasikara. Tamin’izany koa ny nankalazana ny jobily faha-50 taona naha pretra azy. […]




