Mois : octobre 2025

Filoham-panjakana : « Teneno izahay raha misy tsy mety ny ataonay »

Notanterahina omaly, ny fanompoam-pivavahana fametrahana ny filoha vaovao eo anivon’ny FJKM, Andriamampia­nina Zaka Hary Masy. Anisan’ny niatrika izany ny filoham-panjakana, Randrianirina Michael. Nambarany tamin’ny lahateniny fa efa nijoro hatrany ho an’ny vahoaka malagasy ny FJKM. Koa, mangataka amin’izy ireo ny tenany mba hijoro hatrany sy hitsangana araka izay asa napetrak’i […]

Depiote Razafimanantsoa Hanitra: «Tsy nisy fanonganam-panjakana teto»

“Tsy nisy fanonganam-panjakana teto Madagasikara, fa tsy nisy fanafihana mitam-basy tany amin’ny lapam-panjakana”. Io ny fanazavan’ny depiote Razafimanantsoa Hanitra tamin’ny famaranana ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, Analakely, afakomaly. Ny didin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no entina miady eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy nisy fanonganam-panjakana teto. Fiza­hana […]

Kianjan’ny 13 mey : Niantso fahamailoana ireo nandaha-teny

« Misy andrimaso tsy maintsy ataontsika, indrindra ny resa-bola miparitaka any ka samia mailo. Tsy mbola vita ny tolona », hoy ny depiote « Del kely ». Nateriny koa fa efa mipetraka ny stratejia eny anivon’ny Antenimierampirenena, manoloana ireny fifidianana ny eo anivon’ny birao maharitra ireny. Nohamafisin’ny depiote, Razafimanantsoa Hanitra, koa fa hoesorina ireo […]

VAOVAO TAMBATRA

Amidy 150 Ar ny zana-trondro karpa iray, mirefy 2,5 sm hatramin’ny 3 sm. Amidy 200 Ar kosa ny iray raha mirefy 3sm-4 sm. Betsaka ny zana-trondro izao, nanomboka tamin’ny volana aogositra, fotoana fandrotsahana azy anaty dobo, na koa alefa anaty tanimbary, ho an’ny mpamboly varialoha. Manodidina ny enim-bolana eo ho […]

Maika ny fanarenana: Antoky ny toekarena ny fizahantany

Niova mpitondra ny fire­nena izao. Nanome toky ny filoham-panjakana Randria­nirina Michael, fa tsy maintsy averina amin’ny laoniny ny seha-pihariana satria betsaka ny fatiantoka nateraky ny krizy nandritra izay telo herinandro izay. Ankoatra ny fihariana mahazatra eto an-toerana, antoky ny toekarem-pirenena sy ny eny ifotony, ny sehatry ny fizahantany. Mampidi-bola vahiny […]